- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe Andrefana Olona 3000 mahery indray no mety hanampy isa ny eny...

Anosibe Andrefana Olona 3000 mahery indray no mety hanampy isa ny eny amoron-dalana

Tsy misy fiainana vanona ! Fitaintainana lalandava no mianjady amin’ireo mponina ao amin’ny fokontany Anosibe Andrefana I. Isan’andro vaky izao mantsy dia mitanotanona eo an-tampon-dohan’izy ireo ny fandravana ny tranony. Antony hitairainan’izy ireo fatratra sy hanaovanan’izy ireo antso avo amin’ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny avy, indrindra fa amin’ny Filoham-pirenena sy ireo solombavambahoaka.

Raha ny nambaran’ny solontenan’izy ireo mantsy dia  nanomboka ny volana aprily lasa teo dia misy olona milaza ho tompon’ny tany ipetrahan’izy ireo, ary mandrahona ny handrava ireo trano fonenan’izy ireo. Efa nisy ny antso vonjy nataon’ireto mponina ireto tany amin’ny solontenam-panjakana akaiky azy ireo indrindra, dia ny sefo fokontany izany, saingy indrisy fa voatosi-bohontanana foana izy ireo. Araka ny nambaran’Atoa Andrianjafison Petera, solontenan’ireo mponina, dia ity farany mihitsy no toa manao tsindry hazolena amin’ireto mponina ireto ary mitady izay fomba rehetra handravana ireo trano sy hangalàna ny tany, homena olon-tokana. Ity farany, moa dia tsy hita teny an-toerana tamin’ny fotoana nahatongavanay teny, hangalàna ny heviny.

Araka ny nambaran’ireo mponina anefa dia efa izy ireto no nanajary, amam-polon-taonany maro izany tany izany. « Mbola tsikafona sy honahona mandifotra ny teo amin’ity toerana ity tamin’izany, ary izahay no niezaka nanototra sy nanajary izay ho lasa toerana azo onenana sy ny hita amin’izao fotoana izao. Ankehitriny dia ampihorohoroina hoesorina sy horavàna trano izahay », hoy Rtoa Perline, mila ho latsa-dranomaso, izay efa nipetraka 15 taona mahery teo amin’izany toerana izany. Marihina fa mbola trano hazo no ipetrahan’ireto fianakaviana an-jatony ireto, izay azo sokajiana ho marefo ara-pivelomana. Efa mba manana vina ny hihoitra sy hiezaka hanamboatra izany ho trano mendrika izy ireo anefa ireto farany, saingy matahotra mafy sao mba ilay noezahina indray no harodan’ny olona eo. Niezaka nanao dingana rehetra hangatahana izany tany izany moa ireo fianakaviana ireto saingy toa niharan’ny antsojay hatrany, ary tonga hatramin’izao tranga izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici