- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Mpamatsy rongony ny taxi-be nosamborina

Ambohimangakely : Mpamatsy rongony ny taxi-be nosamborina

Olon-tsotra izay nahatsikaritra ny varotra hafahafa nataon’ity tovolahy ity no nampandre ny zandary tao an-toerana. Natao ary ny fanamarinana sy ny fidinana an-tsehatra. Raha vao nahita ny fiavin’ireo zandary ilay tovolahy dia vaky nandositra ary vao mainka izany nanamarina ny ahiahy rehetra. Natao ny fanenjehana rehetra ka tsy lasa lavitra dia tratra. Rehefa nosavaina ny kitapo teny aminy dia nahitàna fonosana 80 isa, raha araka ny fanazavan’ny zandary. Mbola nanamarina koa izy fa misy rongony hafa any an-tranony. Rehefa nahazo alàlana tamin’ny fampanoavana ny mpanao fanadihadiana dia niroso tamin’ny fisavàna ilay trano izay nahitàna rongony antsasakilao hafa. Voamarina fa ity tovolahy ity dia mpamatsy rongony ireo mpitaona entana sy mpamily ary mpamily mpanampy ireo fiara fitateram-bahoaka eny an-toerana. Misy amin’izy ireny izany no mpifoka rongony ary mety azo heverina fa antony mahatonga ny lozam-pifamoivoizana sasantsasany ary koa ny tsy fanarahan’ny zotra ny lalànan’ny fifamoivoizana mahakasika azy ireo. Isan’izany ny fiverenan-dàlana tampoka kanefa mbola feno olona ao anaty fiara ary tsy mamerina ny saran-dàlana akory.

D.R

 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici