- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Zazalahy 8 taona monja novonoina dia natsipy tao anaty...

Arivonimamo : Zazalahy 8 taona monja novonoina dia natsipy tao anaty lava-drano

Habibina tsy roa aman-tany no nitranga tany amin’ny kaominina Antambolo, distrikan’Arivonimamo , ny alahady teo. Zazalahy vao 8 taona monja no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tany an-toerana. Hita tao anaty lava-drano tsy lavitra ny CEG Antambolo ny razana omaly, izay efa simba. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny tomponandraikitra amin’ny fokontany ary ny fokonolona nizaha ny zava-nisy. Voalazan’ny loharanom-baovao avy any an-toerana fa novonoina ilay zazalahy io, ary avy eo nalatsaka tany anaty lava-drano. Nilaza ny dokotera nizaha ny razana sy ny mpitandro filaminana fa novonoina mihitsy ity zaza ity, ka notatahana antsy ny kibony ary notsindromina zava-maranitra ny tao an-damosiny. Fantatra fa ny marainan’ny alahady, tokony ho tamin’ny 7 ora ilay zazalahy no niala tao an-tranon’ny ray aman-dreniny ary tsy niverina intsony. Nanomboka teo ny fikarohana azy ka nampandrenesina ny fianakaviana sy ny mpitandro filaminana saingy nandamoka izany.

« Nisy lava-drano iray tsy lavitry ny CEG Antambolo nahenoana fofona hafahafa ka nanaitra ny maro omaly maraina. Natao ny fomba rehetra ahitana izay tao anatiny ka indrisy fa ny vatana mangatsiakan’ilay zazalahy tsy hita nandritra ny telo andro no hita tao », hoy ny fanazavana voaray Tsy mbola fantatra izay nahavanon-doza. Misokatra ny fanadihadiana, hahafantarana izay mety ho nahavita izao vono olona mahatsiravina izao.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici