Soa ihany, nisy ny fampandrenesana mialoha ireo zandary ! Ny alakamisy lasa teo mantsy dia jiolahy raindahiny, dimy, nikasa hanafika sy haka an-keriny olona tao amin’ny tanànan’i Bemasiaka, fokontany Antaninandro, kaominina Ankazondandy no voasambotry ny zandary.
Rehefa ny fampandrenesana azon’ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Andriampamaky, mahakasika ny fisiana olona mampiahiahy tao amin’io tanàna voalaza etsy ambony dia nidina avy hatrany, teo no ho eo, tany an-toerana ireo mpitandro filaminana. Tamin’izany no nahafahana nisambotra avy ireto olona nampiahiahy ireto, izay marihana fa samy vahiny tao amin’io tanàna io avokoa. Raha ny vaovao azo mantsy dia saika avy any amin’ny distrikan’Anjozorobe sy Tsaratanàna iny izy ireto, ary voalaza fa samy nanana ny anton-diany tao amin’io tanàna io : tao ireo nanenjika omby halatra ary ny hafa voalaza fa hamonjy fahoriana ny sasany. Raha ny marina anefa, dia tsy misy mahafantatra ireto olona ireto ny ao an-tanàna. Izy ireo ihany koa tsy nanana ilay « pasipaoron’olona » na nisora-bahiny tao an-tanàna. Natao avy hatrany ny fisavàna azy ireo ka nahitàna zava-maranitra sy ody gasy marobe. Nentina avy hatrany nohadihadiana moa izy ireo taorian’izay. Tetsy andanin’izay anefa, rehefa nisy ny famotorana lalina dia fantatra fa ny telo tamin’ireto olona ireto dia isan’ireo nandray anjara tamin’ny fanafihana mitam-piadiana izay nitranga tao Andriankely, Ankazondandy ny 27 novambra lasa teo. Mbola nahitàna bala « calibre 12 », mbola tsy nipoaka ihany koa aza moa hita tsy lavitra ny toerana nisamborana azy ireo. Azo heverina izany, araka ny fanazavana azo fa mety mbola nisy naman’izy ireo, nitondra basy nitsoaka tany ho any, ary efa eo am-pikarohana izany ireo zandary. Ireto farany moa dia tsy mitsahatra manentana ny rehetra ny amin’ny fanomezam-bavao ara-potoana hatrany, ahafahana misoroka mialoha sy misambotra ireo olon-dratsy haingana toa izao.
m.L