- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMasay : Nifampitifitra ny polisy sy ny jiolahy, iray no maty

Masay : Nifampitifitra ny polisy sy ny jiolahy, iray no maty

Kalachnikov no nentin’ny jiolahy ary nitifirany ny polisy nanenjika azy. Vao maraina omaly no raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta, tetsy Masay. Tena nifanjevo ny roa tonta satria na ny fiara nampiasain’ny polisy aza dia rotiky ny bala koa. Toa ireny amin’ny « film hollywood » ireny ny zava-nitranga satria sady nandeha ny fiara no nitifitra ny andaniny sy ny ankilany. Teny Ambodivoanjo vao tapitra ny raharaha rehefa nijanona ilay fiara ka nitsoaka ny tao anatiny. Niafina tao anaty lobolobo ilay nitazona basy kalachnikov ary mbola nifampitifitra tamin’ny polisy hatrany. Lavo ilay jiolahy taorian’izay. Ny iray hafa kosa, izay nanamory ny fiara Kangoo nampiasian’izy ireo, dia azo sambo-belona. Raha araka ny fanamarihan’ny polisy dia mbola nisy iray hafa voatifitra teny Masay saingy tafaporitsaka ihany. Mitohy ny fikarohana azy io hatramin’ny omaly ary nanentana ny mpanao fanadihadiana ny mba hanomezan’ny olon-tsotra vaovao momba io olona io raha sendra manana. Omaly ihany dia nosafoina avokoa ny toerana nisehoan’ny fifampitifirana tetsy Masay ary koa ny teny amin’ny kartie manodidina. Nanentana ny mba hiantsoana avy hatrany ny laharana  034 05 529 03 ny polisy ho an’izay manam-baovao momba ity raharaha ity. Etsy andanin’izany, fantatra koa fa nisy jiolahy iray izay lavo tetsy Anatihazo-Isotry, mbola ny andron’ny maraim-ben’ny omaly koa. Io indray dia jiolahy namaky trano ary mbola tratra teny aminy ny fitaovana rehetra fanatontosana an’izany. Nisy namany iray izay azo sambo-belona ary nanokafana fanadihadiana avy hatrany. Mirongatra indray ny asan-jiolahy amin’izao ankatoky ny vanin’andro fety izao. Izany dia miverimberina hatrany isan-taona. Etsy ankilany koa anefa, raha oharina tamin’ny zava-nisy omaly, dia hita fa nihahentitra ny mpitandro ny filaminana, indrindra fa ireo miasa an-tanan-dehibe. Roa no lavo omaly tamin’ny toerana roa samihafa. Mifanjevo tanteraka ny roa tonta ary manao saka sy voalavo ho an’ny eto Antananarivo.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici