- Publicité -
mercredi, avril 30, 2025
AccueilFaits-DiversVono olona feno habibiana : Lehilahy iray maty notapahan-doha

Vono olona feno habibiana : Lehilahy iray maty notapahan-doha

Ilay lehilahy nosamborina, nahavita nanapa-doha ilay raim-pianakaviana.

Nitrangana vono olona mahatsiravina tao amin’ny tanàna kely iray antsoina hoe Analandramaly, fokontany Soajombana, kaominina Ihazoara, distrika Vohibato, ny sabotsy lasa teo. Lehilahy iray, tokony ho 65 taona teo ho eo mantsy no hita faty, efa tapa-doha.

Hatreto aloha, tsy fantatra mazava izay tena zava-nisy marina sy ny nitranga tamin’io tanana kely ka nahatonga ity lehilahy ity nahavita izao heloka bevava izao. Tamin’io andron’ny sabotsy io mantsy, dia ny Ben’ny tanana tao an-toerana no nampandre avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Alakamisy Itenina. Nidina avy hatrany tany an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy ireto zandary ireto, niaraka tamin’ny mpitsabo tao an-toerana. Tamin’izany no tsikaritr’ireto tompon’andraikitry filaminana ireto fa vatana mangatsiaka efa tsy misy aina sy tsy misy loha intsony no milona anaty rà mandriaka. Tapaka tarangana mantsy ny lohan’izany raim-pianakaviana izay ary nipitika niala lavitra ny vatany mihitsy. Tamin’ny alalan’ny zava-maranitra no  nahavitan’izay nahavanon-doza an’izao zavatra izao, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena moa dia tamin’io andron’ny sabotsy io ihany dia efa fantatra izay tompon’antoka tamin’izao tranga mampihoron-koditra izao. Lehilahy iray, izay monina any Ampaninjamanana, ao amin’io kaominina ihany. Nosamborina avy hatrany moa ity farany ary nentina natao andrimaso any amin’ny biraon’ny zandary, hatao famotorana. Mbola ao anatin’izany tanteraka moa ireo tompon’andraikitra ary heverina fa aorian’izay dia hatolotra tsy ho ela ny Fampanoavana ny raharaha. Ny vatana mangatsiaka an’ilay rangahy tapa-doha kosa dia efa nomena ny fianakaviana, taorian’ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici