- Publicité -
mardi, juillet 15, 2025
AccueilFaits-DiversFokontany Dépôt IV Toamasina : Maty noho ny daroky ny vadiny ilay ramatoa...

Fokontany Dépôt IV Toamasina : Maty noho ny daroky ny vadiny ilay ramatoa 38 taona

Mihamahazo vahana eto Toamasina ny fidaroaham-bady ataon’ny lehilahy amin’ny vadiny; mazana miafara amin’ny famoizana aina mihitsy izany. Tranga iray no niseho tao amin’ny fokontany Dépot VI parcelle 23/44, izay renim-pianakaviana 38 taona manan-janaka roa lahy ka 12 taona ny farany miara-mipetraka amin’izy mivady. Araka ny fanazavana azo dia efa fanaon’izy mivady ny miady, ka tsy taitra tamin’ny disadisa nataon’izy roa ny fokonolona. Gaga izy ireo noho ny farany fa noho tonga ny misasakalina dia tsy nahare feo tampoka ny manodidina, teo vao taitra izy ireo fa niafara tamin’ny famonoan’ilay rangahy ny ramatoa vadiny ny ady nifanaivan’izy roa. Teo amboalohany aloha noeverin’ireo manodidina safotra fotsiny ilay ramatoa, ka nanao ny ezaka rehetra namelomana azy izy ireo, ary efa nisy mihitsy ny hevitra amin’ny fitondrana azy teny amin’ny hopitaly be. Ela ny ela namelomana azy teo ny manodidina hay efa tapitra ny ain’ilay Renim-pianakaviana. Tsy hitan’ny fokonolona ny natao ilay rangahy namono ny vadiny, ka niantsoan’izy ireo polisy hisambotra azy. Efa miandry fitsarana ao amin’ny fonjamben’Ambalatavoahangy ilay rangahy nahavanon-doza namono vady amin’izao miandry ny fitsarana azy.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici