Natolotra ny fampanoavana omaly tany Ihosy ny lehilahy iray voalaza fa nanolana zazavavy dimy, izay nahitana 7 taona, 8 taona miisa roa,11 taona ary 17 taona, tany Andohanilakaka. Voalaza fa nasesin’ity lehilahy iray ity naolana ireo ankizy ireo. « Nofetseny tamin’ny alalan’ny biskoy sy mofo sy vatomamy ary nampijerena sary miaina ireo zaza. Avy eo anamparany ny filan-dratsiny sady ampijereny horonantsary mamofady », hoy ny fanazavana. Tamin’ny alalan’ny zazavavy kely iray hafa, 4 taona, nentin’ny reniny nisasa no nahasaronana ity zava-dratsy nataon-dralehilahy. Nitaraina izy fa marary ny maha vehivavy azy, ka rehefa nanontaniana, dia nanondro an’ilay lehilahy nahavanon-doza antsoina hoe Takalosoa. Nentina tany amin’ny mpitsabo tsy miankina ilay zaza, ka voamarina fa simba izy. Nambara tamin’ny havan’ilay lehilahy izany, saingy nandà fotsiny izy ireo. Nentina teny amin’ny CSB2 ilay zaza ka ny tao an-toerana no nilaza fa mbola madio izy. Nisavorovoro ny andaniny sy ny ankilany, noho ireo valinteny samy hafa. Nametraka fitoriana teny amin’ny zandary ny ray aman-drenin’ilay zaza. Voaloaza fa notarihan’i Takalosoa ho ao an-tranony io zazakely io ny sabotsy 11 lasa teo, ka norakofany bodofotsy niaraka taminy. Tsy nanam-po na inona na inona izy, kanjo tratran’ny renin’ilay zaza tamin’izay. Niantso vonjy ka nosamborin’ny fokonolona Takalosoa ny alatsinainy maraina lasa teo. Tezitra ny olona ka nanao fitsam-bahoaka. Tonga teny an-toerana ny zandary. Nandeha ny famotorana ka fantatra fa efa fanaony io fomba ratsy io. Niahiahy avokoa ny teo an-tanàna ka, samy nijery ny zanany vavy. Hita tamin’izany fa, zazavavy dimy no efa niharan’ny fanolanana ary nohamarinana sy nozaham-pahasalamana teny amin’ny CSB2. Miandry ny fitsarana azy ny ilay mpanolana.
Yv Sam