Nitrangan’ny vono olona mahatsiravina indray tany amin’iny distrikan’i Tolagnaro iny ny talata lasa teo. Lehilahy iray mantsy no hita faty, efa tsy nisy loha intsony sy taovam-pananahana.
Halatra taova sa vono olona feno habibiana ? Tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro tany ho any no naharay antso avy amin’ny tompon’andraikitry ny fokontany tao Ranopiso ny lehiben’ny zanatobim-paritry ny zandary tao an-toerana, mahakasika ny fahitana razana. Tsy lavitra teo tokoa mantsy, tokony ho 6 kilaometatra miala ny tanàna, lalana mihazo ny kaominina Analapasy, distrikan’i Tolagnaro, no nahitan’ny olona vatana mangatsiaka nitsingevana tao anaty dobo anaty kirihitra. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireo tompon’andraikitry ny filaminana, niaraka tamin’ny mpitsabo, nijery ifotony ny zava-nisy. Hita teo fa efa andro maromaro ihany no nahafaty ity lehilahy ity. Efa an-dalam-pahasimbana mantsy ny razana, moa etsy andanin’izay, nilona rano rahateo. Teo am-pampiakarana izany anefa no voamarika fa tsy nisy loha intsony ilay faty. Nisy nanapaka ankitsirano teo amin’ny faritry ny tendany. Ambonin’izay, rehefa natao ny fitsirihana dia hita ihany koa fa tsy teo intsony ny mahalehilahy azy. Nanohy ny nikaroka teo amin’ny manodidina ihany moa ireto tompon’andraikitra ireto sao mba natsipin’ireo nahavanon-doza tsy lavitra teo izay zavatra tsy ampy tamin’ny vatany izay, kanefa tsy nahitam-bokany. Hateto araka izany dia tsy fantatra mazava ny mombamomba an’ity olona hita faty ity. Teny aminy rahateo tsy nisy afa-tsy kilaoty fohy fotsiny. Efa mandeha ny fanadihadiana rehetra mahakasika ity tranga vono olona ity any an-toerana. Na ny fikarohana ireo izay mety ho nahavanon-doza, ny antony nahatonga izany na ny mahakasika ilay olona maty. Ny razana kosa dia efa nalevin’ny fokonolona tamin’iny andro iny ihany taorian’ireo fitsirihana rehetra, raha ny fampitam-baovao azo.
m.L