- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversCash point : « Caissière » bevohoka voatafika tamin’ny basy

Cash point : « Caissière » bevohoka voatafika tamin’ny basy

Tsy hatraty an-drenivohitra, tsy hatrany amin’ny faritra fa dia manjaka ity fanafihana cash point ity. Tao an-drenivohitr’i Betsileo tao mantsy dia iray tamin’izy ireny indray no lasibatry ny jiolahy mitam-piadiana ny alakamisy lasa teo. Soa ihany, nahay nifarimbona ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ka tsy lasa lavitra dia voasmbotra ilay mpanao ratsy. Basy poleta vita gasy iray, izay manambaka ny basy poleta tena izy mihitsy, niampy bala efatra no sarona teny amin’ity lehilahy izay vao nanafika cash point teo Anjoma, tao an-tampon-tananan’i Fianarantsoa. Araka ny fampitam-baovao azo dia tokony ho tamin’ny enina maraina no nitranga izany. Marihana fa vehivavy bevohoka no nitazona ity toerana fakana sy fandefasana vola ity tamin’io fotoana io. Mora foana ho an’ilay lehilahy nitondra basy no nandrahona azy sy naka ireo vola tao aminy. Ireo nanatri-maso moa no nampandre haingana ireo polisy, izay tsy niandry ela ihany koa dia nigadona teny an-toerana. Efa nahavita ny asa ratsiny moa tamin’io fotoana io ilay olon-dratsy ary nitsoaka nihazo ny fokontany Ambalapaiso iny. Nandeha avy hatrany ny fikarohana sy ny savahao. Nanampy betsaka tamin’izany ihany koa ireo fokonolona, izay tena niray hina tokoa tamin’ny fitadiavana ity jiolahy. Adin’ny iray monja taty aorian’ny fanafihana dia voasambotra ingahirainy. Mbola sarona teny aminy ny basy nentiny nanaovany izany fanafihana izany. Nentina natao andrimaso avy hatrany tany amin’ny biraon’ny kaomisaria foibe ao Fianarantsoa moa ity olon-dratsy ity, mba hofotorana. Efa nipetraka rahateo ny fitoriana nataon’ilay niharam-boina. Heverina fa hatolotra ny Fampanoavana atsy ho atsy moa ny raharaha.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici