Tratran’ny polisy avy eny Tanjombato ny jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana sady mpanendaka, antsoina hoe Mainty. Efa nokarohina ela izy io izao tratra izao. Nanaovana velam-pandrika ka tratra teo ampanaovana ny asa ratsiny. Araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana, anisan’ireo jiolahy mitam-piadiana nanafika teny amin’ny barazy Tanjombato izy. Tsena iray teny an-toerana no voatafika tamin’izany ka jiolahy maromaro nitam-basy nanafika tamin’izany ka anisany i Mainty. Vaky ny Tsena ka very ny solosaina fentina mandeha niampy fitaovana hafa ary vola. Tafatsoaka ireo jiolahy ary tsy nisy tratra Tamin’izany. Nandeha ny fanadihadiana sy fikarohana ka teo no nahafantarana an’ity jiolahy. Raikitra ny fikarohana azy ka izao tratra izao izy. Nandritra ny fanadihadiana no nahalalana fa nisy vehivavy iray nitaraina fa niharan’ny asa ratsin’ity jiolahy ity, ka nametraka fitoriana. Maro ny vesetra anenjehina ity tovolahy ity, ka natolotra ny fampanoavana avy avy hatrany ary naiditra am-ponja eny Antanimora miandry ny fitsarana azy. Manao izay ho afany ny mpitandro filaminana amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy, indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao. Maro ireo polisy miasa eto andrenivohitra mandritra ny fety. Manentana ny rehetra koa izy ireo mba hampandre azy ireo avy hatrany raha misy ny tranga mampiahiahy. Efa misy ireo polisy manakaiky vahoaka afaka hatonina rehefa misy ny asa an-jiolahy.
Yv Sam