Isan’ny mampalaza an’i Mandrosoa-Ivato ny fananany ny farihy izay sady madio no mitondra rivotra tsara ary koa tsy lavitra fa amoron’ny lalam-pirenena. Izao anefa dia atahorana hiova endrika izany raha tsy misy ny fepetra izay raisina haingana. Ny antony dia satria lasa toerana fandehanan’ireo mpidoroka zava-mahadomelina manao ny ataony ilay toerana. Tsy izany ihany aza fa ireo mpitsindrona « héroïne » koa dia tonga manamorona ny farihy ary tsy maka lavitra fa eo ihany izy ireo no manatontosa ny fanitrihina ny fanjaitra ary mampidina ny zava-mahadomelina amin’ny tsindrona. Mitaraina ny olona izay mandalo, ary indrindra koa ny manodidina satria loza mitatao ho an’ny tanàna izany no koa loza mitatao ho an’ireo tanora (misy mpianatra aza) miandahy sy miambavy izay tafiditra amin’ny héroïne. Mangataka ny fijerena ifotony amin’ny manam-pahefana tokony ho tandrifin’ity raharaha ity ny olona.
D.R