Tsy mbola nisy hatrizay ny fanendahana izay mitranga eo amin’ny fitoeran’ny fiara eo anivon’ny tsena lehibe na « supermarché ». Ny antony dia satria sady misy mpiambina ny toerana ary noho izy misy banky koa dia mbola misy mpitandro ny filaminana. Tsy vitan’izay aza fa mbola misy ireny « caméra de surveillance » ireny isaky ny zorony. Kanefa dia mbola sahin’ny olon-dratsy ny nanao ny asany omaly hariva, eo amin’ny fotoana maha-betsaka olona mpivezivezy mihitsy. Roa lahy izay mitaingina scooter no tompon’antoka. Lehilahy iray mbola tanora izay nitondra kitapo no nataon’ireo lasibatra. Tsotra ny fomba fiadin’ireo olon-dratsy. Sintomina farak’izay mafy ny kitapo. Soa fa voatazon’ilay natao lasibatra mafy dia mafy izany ary nandamoaka ny sinto-mahery. Niara-nianjera tamin’io farany aza ny scooter noho ny hery nifanohitra. Teo dia nianjera koa ilay iray mpisintona. Raikitra teo ny sakoroka ary avy ny olona nanampy. Ilay nanamory scooter kosa nitsoaka avy hatrany ary navelany teo ilay mpiray tsikombakomba taminy. Io no niharan’ny hatezeran’ny olona teo. Voadaroka tsara mihitsy. Nosintomina nentina teny amin’ny mpitandro ny filaminana mba hanokafana fanadihadiana. Vao mainka koa tezitra ny olona raha nahita fa tao anaty enta-keliny dia nisy fitaovana mahafaty olona : antsy sy « teaser ». Mbola niverina indray ny daroka teo ary nodorana tamin’ny herinaratr’ilay « teaser » ilay olon-dratsy mba ho tsapany tsara ny fanaony aman’olona. Mba tsy nisy ny entana very rehefa nahavita niaro izay ilay lehilahy niharan’ny sinto-mahery. Endrika vaovao amin’ny fanendahana eto an-drenivohitra indray ity mandeha scooter ity ny mpanatontosa izany ary manao taingin-droa. Vao ny zoma lasa teo koa no nisy lasibatr’izany ny ramatoa iray nitondra paoketra. Mila mailo hatrany amin’izao vanin’andro ankatoky ny faran’ny taona izao izay mampirongatra ny asan-jiolahy. Torak’izany koa, mila mailo amin’ny scooter manao taingi-droa ny polisy eto an-drenivohitra.
D.R