- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversSambo rendrika MS Francia : Nangonina ao Soanierana Ivongo ireo razana

Sambo rendrika MS Francia : Nangonina ao Soanierana Ivongo ireo razana

Tafakatra  ho 84 no isan’ireo namoy ny ainy, taorian’ilay loza an-dranomasina nitranga tany amin’ny fari-dranomasin’i Sonierana Ivongo, ka nahadobo an-drano ny lakana iray, nitondra entana sy olona an-jatony mahery (manodidina ny 138, araka ny nambaran’ny avy ao amin’ny sampandraharaha miandraikitra ny fifamoivoizana an-dranomamy sy an-dranomasina). Afak’omaly moa, raha tsiahivina, no nisy razana 43 hita tany amin’ny fari-dranomasin’i Ste Marie, nahazoana io totalin’io isa voalaza etsy ambony io. Raha ny fanapahan-kevitr’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny dia hangonina sy havantana ao Soanierana Ivongo avokoa ireo razana hita rehetra. Raha ireo hita tany Ste Marie ireo, dia omaly maraina no tonga tao an-toerana. Ao amin’ny kianja monisipaly ao an-toerana moa no ahafahan’ireo fianakavian’ireo niharam-boina mijery sy mamantatra ny havany.

Efa potika.

Somary manahirana ihany anefa ny famantarana ireto olona namoy ny ainy ireto, raha ny vaovao avy any an-toerana satria dia maro amin’ireo razana no efa potika sy simba tanteraka noho izy ireo efa andro maromaro aty aoriana ary nilon-drano foana. Teo anatrehan’ny zava-nisy sy araka ny fanapahan-kevitra noraisina teo anivon’ny filankevitry ny ministra dia asiana laharana sy alaina sary ny razana tsirairay, mba hisy hamantaran’ireo fianakaviany azy ireo. Tetsy andanin’izay ihany dia nisy ny fanapahan-kevitra ny tsy maintsy handevenana avy hatrany ireo razana taorian’izay. Marihina fa mbola misy razana am-polony maro no tsy nisy naka na tsy manana fianakaviana tamin’ireo izay rehetra efa hita. Tsy zaka intsony tokoa mantsy ny fofona any an-toerana ka mety hatahorana hiteraka aretina na zavatra hafa indray ho an’ireo mponina ao an-toerana. Ankoatra ny fitadiavana ireo razana moa dia efa mandeha ihany koa ny fanadihadiana rehetra nahatonga ilay loza mahatsiravina ataon’ireo tompon’andraikitra. Ny voalohany karohina amin’izany dia ilay kapitenin-tsambo no sady tompon’ity lakana ity. Raha ny siosion-dresaka dia voalaza fa isan’ireo velona ity farany saingy tsy mbola hita ny tany nanjavonany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici