Ny natao hiambina indray no atidoha nikotrika ny famonoana ny olona ambenany, tena tsy nampoizina mihitsy. Raha hiverenana ny tantara dia tsy hita ny nanjavonan’i Li Guogen, teratany sinoa mpandraharaha nonina sy nipetraka tao Ambohijafy atsimo, Toamasina I, ny 30 marsa 2020. Vokatr’izany dia nametraka fitoriana noho io tranga fanjavonan’ny teratany sonia io ny orianasa manao faimbenana tsy miankina iray eto Toamasina, izay misahana ny fiarovana sy fiambeanan ny tranon’ity tsy hita popoka ity. Nametraka fitoriana ihany koa ny fianakaviany, ka ireo fitoraiana roa ireo no niaingan’ny famotorana rehetra tamin’izao raharaha izao. Ny 5 avrily dia voasambotra tao Ambalamanasy ny voalohany tamin’ity raharaha ity. Tsy iza izany fa i Tsaramiafara Sitraka, tamin’ny alalan’ny antso an-tariby sy ny “puce” tamin’ny finday no nahafahana nisambotra azy rehefa fantatra tamin’izany fa ny alin’ny 12 marsa dia nifampiantso tao amin’ny findain’ny orinasa Ingahy Jimmy. Nandritra ny fisamborana an’ity Sitraka ity dia efa nahitana vola 17 500 000 ariary tao an-tranony. Tsy fantatry ny vadiny akory izany vola be izany, niampy vary enina gony sy ireo entana samihafa famarotr’ilay Sinoa ihany koa. Taorian’izay, ny 28 marsa, dia voasambotra tao amin’ny kaominina Tsivangiana Ingahy Tovonjanahary Jimmy, ary nahitana lelavola 13 000 000 ariary, ary vao nividy omby iray izy roa lahy, izay samy mpiasan’ilay orinasa fiambenana avokoa. Vokatr’izany, taorian’ny famotorana natao teo anivon’ny polisy sy mpitsara mpanao famotorana, dia niaiky ny heloka vitany izy roa lahy ireto, ary nitantara ny fomba namonoan’izy ireo ilay teratany sinoa sy fomba nanaovany azy avy teo. “Raha nivoaka naka rivotra teo ivelan’ny tranony ilay teratany Sinoa, dia dia nodarohin’izy roa lahy ny “bois rond”. Tsy nijanona teo anefa izany fa raha vao nidaraboka izy dia mbola notohizanay hatrany ny daroka. Efa vonona tamin’izany ny gony lehibe roa handevenany azy tao anaty lakorony ihany, ary eo dia samy nanavotra ny ainy izahay roa lahy raha naka ilay vola efa notsiriritinay taminy”. Nifanohitra tamin’izay anefa ny tenin’izy roa lahy rehefa tonga ny fotoam-pitsarana ady heloka bevava tsotra laharana 34-TOA/21-1115éRP/20. Vokany tsy resy lahatra tamin’izay nolazain’izy roa lahy ny mpitsara sy ny mpitsara mpanampy, fa mamita sazy an-tranomazina asa an-terivozona mandra-pahafatiny izy roa lahy, tamin’ny famonoana feno habibiana ity Sinoa ity.
Malala Didier