- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversBONGOLAVA - Jly Ramiaramanana Joseph : Tsy mikely soroka amin’ny adidy miandry azy ny...

BONGOLAVA – Jly Ramiaramanana Joseph : Tsy mikely soroka amin’ny adidy miandry azy ny Governora

Olo-manan-kaja maro, notarihin’ny Governora ny Faritra Bongolava no niara-nanotrona ny fianakaviana, tamin’ny fanaterana ny nofo-mangatsiakan’i Kly Hery Rakotomiliarison.

Maromaro tokoa ireo zava-nitranga tany amin’iny faritra Bongolava iny, raha ny  herinandro lasa teo fotsiny. Nandray anjara mavitrika ary tazana teny foana ny tompon’andraikitra voalohany miadidy ny Faritra, ny Jly Ramiaramanana Joseph. Karazana adidy maro no niandry azy sy mbola hiandry azy, kanefa tsy nahalalany vizana sy fitairanaa izany. « Ny asam-pandrosoana, tsy azo hipetrapetrahana, hoy ny ambin-teniny izay, satria Bongolava mandroso ny tanjontsika ». Raha tsihiavina tokoa mantsy dia ny faran’ny herinandro lasa teo no nanaterana ny nofo mangatsiakan’i Kly Rakotomiliarison Hery, mpanamory ilay angidim-by niaran-doza tany amin’ny ranomasin’i Mahambo, tany Tsiazompaniry, kaominina Ambalanirana, distrikan’i Tsiroanomandidy. Niondrika am-panajàna teo anatrehan’ny nofo mangatsiakan’ity maherifon’ny Firenena ity ny tenany ary nandray sy nanatrika hatramin’ny farany ny fametrahana azy tany amin’ny fasan-drazany. Araka ny fampitam-baovao azo, tamin’io andro ihany, talohan’ny nanaovany izany adidy lehibe izany dia nisy ny fiaraha-mivavaka tao amin’ny Fjkm Tsiroanomandidy.

Amin’izao vanin’andro fety izao dia tsy nanadino velively ireo asa sosialy, izay isan’ny tena imasoany tokoa ny Governora. Namangy sy nitondra ny anjara birikiny ho an’ireo zaza manana fahasembanana, izay eo ambany fikarakaran’ny Ong Fami izy. Fantatra ihany koa fa nisy ny famalifaliana ireo mpiasa teo ambany fitantanany. Tetsy andanin’izay, tsy adinony velively ny nanolotra ny teny firariantsoa ho an’ny vahoakan’i Bongolava iray manontolo, ao amin’izao fararanom-pety izao. Tamin’izay ihany koa no nampahafantarany ireo zava-bita rehetra tao anatin’ny faritra. « Tsy tokony ho tompontrano mihono ny vahoaka fa ahalala ny zavamisy marina eto amin’ny Faritra, satria Bongolava mandroso no tanjona ».

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici