- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMpanao gazety vehivavy Toamasina : Nahatsiaro manokana ireo vehivavy voafonja…

Mpanao gazety vehivavy Toamasina : Nahatsiaro manokana ireo vehivavy voafonja…

Nofidian’ireo vehivavy mpanao gazety eto Toamasina ny andron’ny 28 desambra teo nanaovan’izy ireo hetsika ara-tsosialy voalohany taorian’ny fijoroan’izy ireo. Ny tanjona ho azy ireo mantsy dia miasa ao anatin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana. Nofidian’ireo manokana ary ny fanampiana an’ireo vehivavy voafonja tao Ambalatavoahangy nanolorana ireo fanomezana samihafa, nahitana vary sy savony ary sira…Ho fanampiana azy ireo noho ny fetin’ny krismasy sy fiatrehana ny fetin’ny faran’ny taona sy ny voalohan’ny taona 2022. Ankilan’izany ny famendrahana fanafody ireo efitra fipetrapetrahana sy fatorian’ireo vehivavy voafonja nandritra ny fanolorana ireo fanampiana ireto, satria zava-dehibe ny fahadiovana ary mbola tena ao anatin’ny ny ady atao amin’ny coronavirus isika amin’izao fotoana izao. Tao anatin’izany no nilazan’ireo vehivavy mpanao gazety ireto fa tsy ny mpampita vaovao ihany no anjara asany, fa eo koa ny maha olon’ny fiaraha-monina azy ireo, ka manao izao asa soa iombonana izao. Nandray ny fanampiana tao amin’ny fonjaben’i Toamasina ny talem-paritry ny fandraharahana ny fonja, Atoa Napou Jeremie, sy ireo mpiara-miasa aminy, izay nisaotra ireo fikambanana vehivavy mpanao gazety tamin’ny asa soa nataony ho an’ireo voafonja vehivavy noho ny asaramanitra. Ankoatra ny fanolorana fanampiana ireo vehivavy voafonja dia nisy ihany koa fizarana vatomamy sy sakafo ary hafaliana ho an’ireo fianakaviana tsy manan-kialofana zanaky ny lalana. Samy nahazo ny anjarany avokoa izy ireo ary afaka nifaly nandritra izany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici