- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomaro : Terantany vahiny nanimba fiaran’olona, raikitra ny sakoroka

Ambatomaro : Terantany vahiny nanimba fiaran’olona, raikitra ny sakoroka

Efa saika ratsy ny fandehan-javatra raha tsy nisy ny fidinana ifotony sy ny fanelanelanana nataon’ireo pôlisy avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka Analamanga, omaly tetsy Ambatomaro, nandamina ireo vahoaka efa vonto-katezerana.

Raikitra maraina mantsy omaly ny sakoroka teny an-toerana. Ny antony, tompon’andraikitra vahiny, ao amin’ny orinasa mpanao fitafiana teny Ambatomaro no voalaza fa nietraketraka tamin’ny mpitondra fiara iray ary rafitra nanimba io fiara io mihitsy, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany teo. « Nolazainy fa nibahana ny fiarany izahay no sady nitabataba izy. Tsy vitan’izay fa handeha omeny ny totohondry ilay olona taorian’ny fiara saingy nahay niala. Ilay fitaratry ny fiara amin’izay no nanalàny ny fony. Nongotany ary naparasany tamin’ny arabe. Nirimorimo nitsoaka nihazo ilay orinasa amin’izay izy nony avy eo », hoy ny fitantaran’ity renim-pianakaviana iray, tompon’ny fiara. Samy variana tamin’ny nataon’ity terantany vahiny ity avokoa aloha ireo izay nahita, ary nanomboka niha-niakatra tsikelikely ny feo. Nitangorona ny olona. Nipoitra teo avokoa fa hoe « tsy vao izao no nanao izany toetrany izany io « vazaha » io fa efa hatramin’izay », ary efa maro tamin’ireo mponina no nitondra faisana, indrindra fa ireo olona mitondra fiara, nifanena taminy. Ity tranga ity araka izany no pitik’afo nandoro ny tanety, ary nampirongatra ny vahoaka.

Nilamina. Fotoana fohy taorian’izay no tonga teny an-toerana ireo polisy, narahin’ny Sefo fokontany, niezaka nandamina ireo vahoaka sy nitady fifampiresahana tamin’ny roa tonta. Hialàna amin’ny mety ho fihitaran’ny raharaha moa dia nentina nihazo ny kaomisaria foibe tetsy Tsaralalàna ilay terantany vahiny ary nanaraka azy ireo avy ato aoriana ireo niharan’ny herisetra sy ny sasantsany tamin’ireo mponina. Teny an-toerana, ny Tale avy eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka, ny kaomisera Razafindrazaka Hector, mihitsy no nijoro ho mpanelanelana sy niezaka nitady izay marimaritra hiraisana mahakasika ity disadisa ity. Rehefa nisy ny fifanantonana teo amin’ireo niharan’ny herisetra sy ireo tompon’andraikitra vitsivitsy teo anivon’ilay orinasa dia niravona ihany izany. Na izany na tsy izany anefa, misy ny fitakiana nataon’ireo mponina sasantsany ny tsy hamerenana io terantany vahiny io ao intsony. Nanome toky anefa ireo tompon’andraikitra fa tsy hiverina intsony ny tahak’ireny. Ity orinasa ity, izay efa manao ny ezaka rehetra hitandroana ny filaminana ao anatin’ny fiaraha-monina misy azy, satria vao tsy ela akory no nisy fizarana fanomezana ho an’ireo mponina rehetra, manodidina azy teny an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici