- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversLehilahy nifamaly tamin’ny vehivavy : Norasarasainy tamin’ny antsy ireo niezaka nanasaraka azy...

Lehilahy nifamaly tamin’ny vehivavy : Norasarasainy tamin’ny antsy ireo niezaka nanasaraka azy ireo

Rà mandriaka no hita ny faran’ny taona teo, tamin’ny toeram-pisotroana iray teny Anosibe Mandrangombato II. Niezaka nanasaraka ny fifamaliana teo amin’ireo lehilahy sy vehivavy ireto telolahy sendra niara-nisotro tao amin’io toerana io, kanjo niantefa tany amin’izy ireo ny hatezeran’ilay lehilahy. Vokany maty voatsindron’antsy ny iray, raha voarasarasa tamin’ny antsy ny iray. Tonga teny an-toerana taorian’ny antso vonjy nataon’ireo tompon’ny tsena ireo pôlisy manao fisafoana tamin’io alina io, ireo avy ao amin’ny sampana miandry amin’ny fanafihana mahery vaika, kanjo dia mbola sahin’ity rangahy ity ihany koa ny nanambana azy ireo.

Raha ny zava-nisy tokoa mantsy, araka ny fampitam-baovao avy ao amin’ny pôlisy, dia nisy ny fifamaliana mafy tao amin’ity toeram-pisotroana ity, tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany. Fifamaliana teo amin’ny lehilahy iray sy vehivavy iray. Avo loatra ny feo ka nanakorontana tao amin’ilay toerana. Niezaka nitsangana nanasaraka sy nampilamina ireto olona ireo ny lehilahy telo, teo ankilan’ny latabatra nisy azy ireo. Tamin’io fotoana io anefa, namoaka antsy avy hatrany ilay lehilahy nifamaly ary tsy nisalasala nandetra izany tany amin’ilay olona voalohany sahy nanatona azy ireo. Nijininika ny rà, ary maty tsy tra-drano vokatry ny ratra nahazo azy ity farany. Nahita izany ilay naman’ity namoy ny ainy ity ka handeha hanavotra azy, saingy mbola noleran’ilay iray ny antsy ihany koa. Voatohitra saingy voarasan’ny antsy ny heliny sy ny tanany. Tsy sahy nanatona intsony ilay naman’izy ireo fahatelo, ary taorian’izay no tonga ny pôlisy.  « Ireo avy ao amin’ny kaomisaria boriboritany fahadimy no tonga teny an-toerana ary vao nahita izay ilay mpamono olona dia napoitrany ka narangarangany tamin’ny Polisy ihany koa ilay antsy. Tonga ihany koa ny Polisy avy ao amin’ny SAG ka voasambotra ity olon-dratsy ity ». Nentina natao famotorana avy hatrany moa ity farany ary niaiky tsara ny heloka vitany, tato afara. Omaly ihany koa no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici