- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMaintirano : Lehilahy roa, nahatratrarana voamason’olona miisa efatra

Maintirano : Lehilahy roa, nahatratrarana voamason’olona miisa efatra

Ny faran’ny taona teo, lehilahy roa nanao fihetsika hafahafa no voasambotry ny mpitandro filaminana tao Maintirano, nandritra ny hetsika fampandriana fahalemana nandritry ny fetin’ny faran’ny taona. Rehefa nosavaina ireto farany dia nahitàna zavatra boribory miendrika voamaso tany aminy, ary ny loza dia tena miendrika voamason’olona vao avy nalaina mihitsy. Miisa efatra izy ireo. Nampiahiahy tanteraka moa izany tranga izany ka nentina natao fanadihadiana izy ireo. Ireo zavatra hita tany koa dia nentina notsirihana tany amin’ny hôpitaly. Voaporofo tamin’izay, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo fa tena voamason’olona izy ireo, ary olona anankiroa no nangalàna azy. Saika hatao inona ? Vetivety dia niely teo an-tanana ny feo. Halatra taova sa saika hanaovana ody gasy ? Efa natolotra ny Fampanoavana moa izy roalahy ireto tany an-toerana, ary fantatra fa efa nadoboka am-ponja vonjimaika.

Fa tamin’io fotoana io ihany dia nisy ihany koa ny fampandrenesena azon’ireo mpitandro filaminana avy eo anivon’ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-pileovana Melaky fa misy fatin’olona anankiroa, hitan’ny fokonolona ao amin’ny toerana antsoina hoe Ampandramalaza, izay marihana, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo fa toerana fiavian’iretsy roalahy, nahatratrarana voamason’olona miisa efatra ireo. Tamin’io fotoana io ihany moa dia nidina tany an-toerana ireo mpitandro filaminana. Mety hisy hifandraisany ? Mbola eo am-panaovana fanadihadiana sy famotorana tanteraka ireo tompon’andraikitra.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici