Tsy ela akory fa vao nitranga ilay fahamaizana “transformateurs” lehibe tao Andekaleka dia ny alatsinainy tolakandro ihany dia efa tonga nijery ireo fitaovana 17 kaontenera fananan’ny jirama efa ela tao amin’ny seranan-tsambo teto Toamasina ny talem-pitantanan’ny orinasa jirama, Atoa Andriamanampisoa Solo.
Natao izany satria isan’ny fitaovana nentina manatsara ny herinaratra ao Andekaleka ireto fitaovana ireto amin’ilay tetikasa Andekaleka IV. Isan’izany ny fanoloana ilay “transformateurs” lehibe nirehitra ity, saingy ilay fahamaizana no tonga aloha tamin’izany. Andiany fahafito nohafaran’ny jirama ireto fitaovana efa tonga ela ireto, saingy teo amin’ny famoahana azy ao amin’ny seranan-tsambo no olana noho izy ireo entana mavesatra avokoa. Raha ny fanazavan’ny talem-pitantanan’ny jirama dia efa nanainga omaly ireo kaontenera 7 amin’ireo 17 tena ilaina any Andekaleka, ka heverina fa anio izany no tonga any an-toerana, araka ny fanazavany hatrany. Efa any Andekaleka avokoa ireo teknisian’ny jirama miaraka amin’ireo orinasa sinoa mpiara-miombona antoka amin’izy ireo hanolo ilay “transformateurs” may ity. Manome 15 andro ny mponina ao Moramanga – Antananarivo – Antsirabe – sy ny manodidina rehetra ny jirama amin’ny fametrahana izany, ka tsy maintsy hisy ny delestazy mihodina mihatra amin’ireo faritra voalaza ireo noho ny fahaverezan’ny herinaratra 30MW vokarin’ity “transformateurs” may ity. Nambaran’Atoa Andriamanampisoa Solo hatrany fa efa miezaka mamaha olana ny jirama amin’ny fampitomboana ny herinaratra vokarina ao Ambomanambola sy ilay herinaratra azo avy amin’ny rano ao Mahitsy mahatratra 28MW. Ity farany dia “pylone” 3 sisa dia azo ampiasaina, nefa manana olana ny jirama noho ilay izy mandalo eo ambon’ny tranon’olona, ka mbola ao anatin’ny fifampiresahana amin’ireo tompon-trano ny jirama amin’izao.
Ankoatra izany dia nambaran’ny talem-pitantanan’ny jirama hatrany fa ny fampiakarana ho 90% ny fiarovana ilay “transformateurs” ny andro fety teo no niteraka ny fahamaizana, satria teo aloha dia 80% izany. Miala tsiny amin’ny vahoaka iharan’ny delestazy mihodina afa-tsy ireo faritra misy ny hopitaly fitsaboana ny Covid-19 ny jirama vokatr’izany rehetra izany, satria banga 30MW ny herinaratra amin’izao fotoana izao.
Malala Didier