Efa karazana orinasa kely amin’ny fambolena sy fanaparitahana rongony mihitsy ity sarona tao amin’ny fokontany Imanja, kaominina Ambohimanga Rova ity. Tao amin’ny tanànan’ity lehilahy iray ity mantsy dia misy ny saha fambolena rongony, misy efitra manokana fanamainana ireto rongony avy notazana.
Vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafahan’ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimanga Rova nahafantarana ny fisian’ity fambolena rongony tsy ara-dalàna ity tao amin’ny faritra feheziny. Ny talata lasa teo, nidina avy hatrany tany amin’ilay toerana voalaza izy ireo ary natao ny fisavàna. Raha ny voalaza tokoa mantsy dia somary miafina ao ambadiky ny trano ireto zavatra voalaza etsy ambony ireo : ny saha fambolena ireo zava-mahadomelina sy ny trano fanamainanana sy ny fitehirizana izany. Tra-tehaka tsy afa-niala tao an-toerana ihany koa ny tompon’izany ary nosamborina tsy nisy atak’andro. Araka ny fampitam-baovao azo dia rongony eo amin’ny 50 fototra no mbola maniry. Efa misy maromaro kosa no efa miandry ny fanamainana azy ary mazava ho azy fa tao an-tranony dia efa nisy ireo rongony maina, miandry mpividy. Milanja manodidina ny dimampolo kilao any ho any ny lanjan’ireto zavamahadomelina mahery vaika nogiazan’ny mpitandro filaminana ireto. Tsy maintsy nongotana kosa ireo mbola naniry ary tsy maintsy nopotehina sy nodorana, araka ny voalazan’ny lalàna velona eto amintsika, eo imason’ireo manampahefana. Nentina nohadihadiana tany amin’ny biraon’ny zandary kosa ilay ranamana voasambotra, izay niaiky soa aman-tsara ny fandikan-dalàna nataony. Natao andrimaso tao an-toerana ity farany ary heverina fa hatolotra ny Fampanoavana tsy ho ela.
m.L