- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Jiolahy telo voasambotry ny polisy niaraka tamin'ny vola

Maevatanàna : Jiolahy telo voasambotry ny polisy niaraka tamin’ny vola

Jiolahy telo no voasambotry ny polisim-pirenena teto Maevatanàna tampon-tanàna, ny zoma 24 desambra 2021 lasa teo iny, tokony tamin’ny misasakalina. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny talemparitry ny polisy aty an-toerana, dia mikasika ny fanafihana mitam-piadiana niseho tao amin’ny fokontan’Antanambao sy tany amin’ny kaominina Marokoro no antony nisamborana azy ireo. Fantatra fa anisan’ny nandray anjara mivantana mikasika ny asa ratsy niseho tao amin’ireo tanàna voalaza etsy aloha izy telo lahy. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny polisy sy ny olona lasibatra ary teo ihany koa ny loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po ka nahatonga ny fahatratrarana. Nandeha nidina ifotony tany amin’ilay toerana tokony hahitana an’ireto farany mantsy ny polisy, ka tratra tany amin’ny fokontan’Antanambao, kaominina Maevatanàna voalohany, tokoa izy telo lahy teo am-panatanterahana ny asa ratsiny. Rehefa natao ihany koa ny fisavana dia nahitana vola iray alina sy iray tapitrisa ariary, basy poleta iray vita gasy misy bala miisa sivy, sy moara ary antsy sy famaky teny amin’izy ireo. Taorian’ny fakàna am-bavany azy teo anivon’ny polisy, dia natolotra ny fampanovana ary efa naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny Mangahazo tsy vidina eny Ambodimadiro izy telo lahy. Marihina fa tsy nisy ny aina nafoy, fa ilay Ramatoa mpandaja volamena nokasain’izy ireo notafihana ihany no naratra nandritra ny fanafihana, ary efa nahazo fitsaboana eny amin’ny hopitalibe Morafenokely Maevatanàna.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici