Raha ny vokatra azon’ny ligy Atsinanana momba ny taranja kick-boxing ny taona nivalona 2021 iny, dia tsara no azo, araka ny fanazavan’ny filohan’ny ligy Mananjara James Antonio. Nandritra ny fandraisana ireo mpikatroka telo lahy no nilazan’ny filohan’ny ligy izany rehetra izany. Enin-dahy izy ireo no niatrika ny fiadiana ny tompon-dakan’i Madagasikara tany Fianarantsoa ny 18 sy ny 19 desambra lasa teo, saingy ny telo lahy no nitondra vokatra teto Toamasina. Noraisin’ny filohan’ny ligy kick-boxing teny an-tranony ao Tanamakoa ireo nisalotra ny medaly volamena sy medaly alimo tamin’izay, ary notolorana fanomezana manokana ho fankaherezana azy telo lahy, dia i Flavio Julio tompon-dakan’i Madagasikara teo amin’ny latsaky ny 48kg kilasy A avy amin’ny klioben’ny scorpionmedaly volamena, Andrianjafintsoa Edliva latsaky ny 54kg kilasy A avy amin’ny klioba scorpion hatrany nahazo ny medaly alimo, ary Claude Eric latsaky ny 54kg kilasy A avy amin’ny kliobe CKBT medaly alimo. Nohamafisin’ny filohan’ny ligy hatrany fa enina ireo solontenan’ny faritra Atsinanana tany Fianaratsoa, saingy ireto telo ireo aloha no nitondra vokatra. Raha tsorina izany dia tsara ny vokatra azon’ny solontenan’ny ligin’Atsinanana tamin’ity taranja kick-boxing ity, satria manana solontena hiatrika ny fifaninana iraisam-pirenena ny ligin’Atsinanana raha ny nambarany. Nomarihin’ny filohan’ny ligy hatrany anefa fa tapitra ny fotom-piasasany, ka manaingy ireo vonona rehetra hirotsaka ho filohan’ny ligin’Atsinanana ny tenany. Saingy raha mbola ilaina, satria mpikatroka ny taranja kick-boxing ny tenany, dia vonona hatrany amin’ny andraikitra omena azy. Ny tanjona mantsy dia ny fanelezana ny taranja isaky ny distrika misy ato anatin’ny faritra Atsinanana.
Malala Didier