Azo lazaina fa tratra ny tanjona izay nofaritan’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena manao hoe Foloalindahy manakaiky vahoaka. Izany no azo hamintinana ny fanambaran’ny ministry ny Fiaraovam-pirenena, jeneraly Rakotonirina Richard nanao jeri-todika ny taona 2021 tamin’ny mpanao gazety ny tenany ny alakamisy 6 janoary lasa teo. Nambarany fa maro ireo sehatra nandrasain’ny miaramila anjara tamin’ny taona lasa iny. Napetraka ny « Zone de Défense et de Sécurité » sy ny « Délégation Militaire Régionale na DMR » mba hanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana any ambanivohitra sy an-tanadehibe. Nandritra ireny olana maro nosedrain’ny firenena ireny dia nanao ny ainy tsy ho zavatra ireo miaramila eny an-kianja manavotra ny mpiray tanindrazana. Nanome tanana hatrany ny Tafika nandritra ny ady tamin’ireo ambana maro lafy toy ireo loza voajanahary, ny loza naterakin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny hai-trano toy ny tany amin’ny Faritra Atsimo Atsinana. Tamin’ireny ady tamin’ny kere nahamaivay nahazo ny faritra atsimo ireny dia nandray anjara mavitrika ny Tafika ho fananterahana ny iraka nampanaovin’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny alalan’ny « Bataillon Multi-Mission na BMM ». Ny BMM izay ahitana miaramila mpitsabo dia nanampy tamin’ny fizaham-pahasalamana, ny fizarana sakafo ary ny fanisana tany amin’ny faritra Amboasary Atsimo sy Ambovombe. Teo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana dia nanampy ny vahoaka namono afo ny miaramila manoloana ny doro tanety nisesisesy tany amin’iny faritra Atsinana. Teo amin’ny ady amin’ny valanaretina Covid-19 dia nisongadina ny asa nataon’ny Foloalindahy. Isan’izany ny fametrahana ny ny « Plateforme Nationale de Gestion Médicale na PNGM» izay tantanan’ny miaramila mpitsabo ary nahitana ny BIS sy CTC-19 Mahamasina mba hanampiana ny mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fikarakarana ireo olona voan’ny Covid-19. Anisan’ny nanafaingana ny avotr’aina ny fananan’ny PNGM ny lisitr’ireo toeram-pitsaboana malalaka afaka mandray mararin’ny Covid-19 sy ny fahafahan’ny BIS manao fizaham-pahasalamana sy fanaraha-maso any an-tranon’ireo marary. Nomarihiny moa fa ireo rehetra ireo no tanteraka dia ho fanatanterahana ny velirano voalohan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina hametrahana ny fandriampahalemana maharitra eto amin’ny tany sy ny Firenena. Asa izay iarahana amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena (SEG). Hotohizana hatrany ny fiaraha-miasa ary hamafisina miaraka amin’ny SEG, ny Etamazaoron’ireo Tafika sy ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena ny paikady entina misehatra amin’ity taona 2022 ity.
T.M.