Natao ny zoma 7 janoary teo ny fifampiarabana noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2022 ho an’ny oniversiten’i Toamasina. Raha ny tapaka teo anivon’ny komity mpitantana ny oniversite dia tsy tokony hisy izany lanonana natao izany, saingy ny ministera no nanome ny vola nanaovana izany ho fifaliana eo amin’ireo mpandraharaha sy ny mpampianatra ary ny mpitantana ny oniversiten’i Toamasina.
Roa sosona ny lanonana nakalazana tamin’ity andro zoma 7 janoary ity. Teo ny fiveranan’ny “indemnité de technicité” izay notapahina tao anatin’ny 8 volana nanomboka ny volana may 2021, teo amin’ireo mpandraharaha ny oniversite. Niverina izany amin’izao noho ny fivoahan’ny didim-panjakana laharana 2021-1215 tamin’ny 11 novambra 2021 nilaza izany. Raha ny fanazavana dia mitentina 320.000 ariary isaky ny mpandraharaha ny oniversite izany “indemnité de technicité” izany. Ny roa volana voalohany tsy voaray no efa noraisina ny 31 decembre teo, ary tsy ho tapaka intsony izany manomboka izao. Ireo mpiasa mandray ny karama ao anatin’ny laharana 106 no mbola manana olana amin’izao. Eo an-dalam-pamahana izany ny minisitera amin’izao, araka ny nambaran’ny talen’ny kabinetran’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa, Atoa Razanakolona Diny, nitarika ny lanonana. Ankilan’izany, teo koa ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao teo amin’ireo mpiasan’ny oniversiten’i Toamasina rehetra nahitana ny mpandraharaha sy ny mpampianatra, izay natao tao amin’ny trano fanaovan-danonana “la marmite”.
Ankoatra izany dia nambaran’ny filoha mpisolo toeran’ny oniversiten’i Toamasina sy ny ekipany fa ny 17 janoary izao, araka ny fanapahan’ny filankevitry ny minisitra, no fotoam-pidirana eo anivon’ny fampianarana. Nisafidy io daty io koa ny oniversiten’i Toamasina, raha efa nokasaina natao ny alakamisy 6 janoary teo ny fidirana teo anivon’ny oniversiten’i Toamasina. Efa vonona ireo mpampianatra, efa vonona ihany koa ireo mpianatra izay efa ela no nijanona, ao anatin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana.
Malala Didier