Manodidina ny eo amin’ny 25 teo no isan’izy ireo, 70 taona ny zokiny indrindra ary ankizy 11 taona no zandriny indrindra, no voatery naiditra tany amin’ny tobim-pahasalamana noho ny fihinana « macaroni », « sardine » ary menaka, ny herinandro lasa iny. Mandoa sy mivalana tsy an-kijanona ireto olona ireto ary marary an-doha ihany koa, raha ny fampitam-baovao azo. Tranga izay niseho tao amin’ny tananan’Andranomainty, kaominina Antanambao Ambary, distrika Mandoto. Samy nitovy avokoa moa ny zavatra nahazo ireto olona tao amin’ity tanàna ity ireto ka nahatonga ny ahiahy rehetra ho nipetraka tany amin’ny zavatra niaraka nohanin’izy ireo. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana, izay nahazo antso mahakasika ity tranga ity tokoa mantsy, dia tsy nisy afa-tsy ireo zavatra voalaza etsy ambony ireo no nohanin’ireto olona ireto. Sakafo, izay voalaza fa novidiana tao amin’ny toeram-pivarotana lehibe iray tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra tao, iray andro talohan’izao nahararian’izy rehetra izao. Nidina avy hatrany tany an-toerana nanantanteraka ny fijerena ifotony ny zava-nisy moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana sy ny mpitsabo. Tamin’io fotoana io, efa tsy nisy ambin-tsakafo masaka intsony tao amin’ilay tanana. Ireo ambin’ireo manta kosa no tsy maintsy nentina notiliana taty an-drenivohitra.
Amin’izao fotoana izao tokoa dia tena mitobaka tanteraka eny an-tsena ireo entana sy sakafo, izay efa tsy tokony ho hanina intsony kanefa mbola sahin’ireo mpivarotra amidy ihany. Mazàna dia afenin’izy ireo ao ambadiky ny hoe entana mora vidy tokoa izy ireo, ka dia maro ny roboka ny rehetra. Ary ny tena zava-doza dia mety ho hita eny rehetra eny izy ireo, eny fa na dia any amin’ireo tsena lazaina fa goavana aza izany toe-javatra izany. Efa nisy moa ny fandraisan’andraikitra nataon’ny eo anivon’ny Minisitera tompon’andraikitra, hisamborana ireny mpanampoizina olona ireny, raha tsy hiteny afa-tsy ny zava-nitranga, herinandro vitsy izay. Heverina anefa fa dia mbola tsy ampy loatra ireny fidinana ifotony ireny ary mila tsirihana sy atao fanadihadiana ary mila fongorina hatrany amin’ny fotony mihitsy ny toe-javatra tahak’izany. Izany hoe, miainga any amin’ireo ngezalahy mpanafatr’entana tsy tokony ho izy ka hatrany amin’ireo mpamongady sy mpaninjara ary ireo mpitsirika izany eny am-pahatongavana.
m.L