- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversMiverina mahazo vahana ny Coronavirus : Mpiasa roa namoy ny ainy teo...

Miverina mahazo vahana ny Coronavirus : Mpiasa roa namoy ny ainy teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina

Tandindonin-doza ireo mpiasa anarivony sy ireo mpanao asa an-tselika ao eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina amin’izao. Efa tonga hatreny mantsy ny valanaretina Coronavirus amin’izao, anefa ireo mpiasa ireo ety an-tanànan’i Toamasina avokoa no mody sy mivezivezy. Raha ny fanazavana dia ny 4 janoary teo no voan’ny Covid-19 Itpkl R. James, tale misahana ny “informatique” eo anivon’ny Spat, io andro nahafaty azy io dia tsy maintsy nalevina araka ny baikon’ny mpitsabo. Tsy niandry ela fa ny alakamisy 6 janoary ihany koa dia renim-pianakaviana Itpkv R. Aimée, efa misotro ronono fa mbola nomena asa teo anivon’ny Spat ihany noho ny traikefany, ny andron’io ihany no nandevenana azy araka ny baikon’ny mpitsabo hatrany. Ireo tranga roa ireo dia azo itarafana avy hatrany ny fihazakazaky ny valanaretina mandoza ity eto Toamasina. Raha ny filazana mpitsabo dia mora miparitaka be ity valanaretina ity izay mody sery mahery vaika ny fiantombohany dia variana amin’ilay sery izay voany dia tsy mamonjy toeram-pitsaboana, nefa mihombo ny aretina aty aoriana. Ankalan’izany teo anivon’ny Spat manokana dia tsy nisy fiatraikany ny fitarainan’ny mpiasa noho ny fahambangan-toerana tsy nahateto Toamasina naharitra ny tale jeneraly efa ho 15 andro, nialoha ny nivereny teto Toamasina ny 5 janoary lasa teo. Raha ny angom-baovao mantsy dia lasa niova toetra ny tale jeneraly ankehitriny, “Indroa nandevina mpiara-miasa izahay tao anatin’ny 48ora, nefa tsy natrehan’ny tale jeneraly izany”, hoy ireo mpiasa. Tsy vitsy vokatr’izany ny mpiasa no milaza fa lasa zavatra hafa no mahavariana ny tale jeneraly fa tsy ny mpiasa tahaka ny nataony teo aloha.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici