Tapa-tongotra vokatry ny fifandonana tamin’ny fiara sprinter iray teny Andraharo ny tovolahy iray nitondra môtô, omaly tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro teo. Raha ny filazan’ilay mpamily ilay Sprinter, tapaka hisatra ny fiara nentiny ka tsy tafajanony ary sendra ilay mpitondra môtô.
Simba tanteraka ilay kodiaran-droa raha tsy nisy naninona kosa ny fiara sy ny mpamily. Nentina namonjy ny hopitaly ilay tovolahy. Tonga teny an-toerana ihany koa ny polisy nanao ny fizahana. Iny lalana Andraharo iny izay itrangana loza matetika noho ny halalaky ny lalana. Eo ihany koa ny mpitondra môtô izay lasibatry ny lozam-pifamoivoizana matetika. Mety avy amin’izy ireo ny antony, kanefa koa mety ateraky ny manodidina. Mitandrina ihany ny mety ialana amin’ny loza.
Yv Sam