Io fitiavana io ihany. Lehilahy iray tany amin’iny distrikan’Andramasina iny, izay voarohirohy tamin’ny resaka vono olona no voatery nosamborin’ny zandary ny talata teo. Nataon’ireo zandary avy ao amin’ny Zana-tobi-paritra Mandrosoa Andramasina, sarika am-pandriana mihitsy ity tovolahy iray, voarohirohy tamin’ny famonoana ho faty zazalahy kely 14 tao tao Mandrosoa Andramasina. Voatery nifanenjehana mihitsy moa ity farany, afakomaly tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany maraina, araka ny fampitam-baovao azo vao voasambotra, ary nentina nihazo avy hatrany ny birao hanaovana fanadihadiana. Araka ny tatitra azo tokoa mantsy dia ity lehilahy ity no fantatra fa niaraka tamin’ilay zazalahy ny andron’ny alahady nahitana farany. Roa andro taorian’io dia hita faty teo am-body vohitra iray tsy lavitra ny tanana ny vatana mangatsiaka an’ity farany, novonoina. Voalaza ihany koa fa mifankafantatra tsara amin’ny fianakavian’ity zazalahy namoy ny aina izy, ary mpinamana tsy mifanakafoy amin’ity farany. Ny fitsoahany tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo zandary no vao maika nampitombo ny ahiahy taminy. Manginy fotsiny ny angom-baovao azon’ireo mpanao famotorana, mahakasika azy. Raha ny voalaza tokoa mantsy dia hoe manam-pitiavana ny anabavin’ity namany ity ny lehilahy. Tsy nety nanaiky azy mihitsy anefa ilay vehivavy. Ambon’izay, efa nitoe-jaza tamin’ny olon-kafa izy io ary hanambady io olona io. Ankevitr’izay araka izany no tsy tantin-dranamana ka tany amin’ilay zazalahy namany, no sady anadahin’ilay vehivavy niriany no nanamparany ny hatezerany ary dia izao niafara tamin’ny famonoana azy izao. Eo am-panaovana ny famotorana mahakasika azy moa ireo tompon’andraikitry ny fanadihadiana, ary heverina fa hatolotra ny Fampanoavana tsy ho ela ny raharaha.
m. L