- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversLalam-pirenena faharoa : Isehoana loza samy hafa roa isaky ny 10Km

Lalam-pirenena faharoa : Isehoana loza samy hafa roa isaky ny 10Km

Loza kamiao.

Manao tohivakana ny lozam-pifamoivoizana mitranga amin’ny lalam-pirenena faharoa noho ny faharatsiany tsy misy fanamboarana. Tsy mifidy fiara ny loza mitranga fa taksibrosy na kamiao na fiara madinika, dia samy voa avokoa ary misy namoizana ain’olona mihitsy aza mandritra izany. Nandritra ny fanaovana fanadiadiana niainga avy eto Toamasina ka hatreo Antsapanana mirefy 132Km, dia nahitana lozam-pifamoivoizana niisa 11 be izao ka roa tamin’ireo loza ireo namoizana ain’olona. Ny hita koa anefa dia vao hivoaka ny tananan’i Toamasina dia efa lozam-pifamoivoizana no hita, teo mantsy ny fifandonana Tuc-Tuc sy môtô teny Mangarano tamin’ny 4ora maraina ny talata 11 janoary teo. Tovovavy iray avy namonjy ny asany hamonjy fodiana no noraofin’ity Tuc-Tuc sy ity môtô ka namoy ny ainy. Ireto mpamily nandritra izany mbola mamo satria avy namonjy alim-pandihizana izy ireo nandritra ny loza niseho. Ankilan’izany dia tsy vitsy ireo kamiao mifandona sy mivadika ho azy noho ny faharatsian’ny lalam-pirenena faharoa ka miteraka fitohanana, tsy latsaka izany koa ireo fiara fitanteram-bahoaka. Amin’ireto fiara fitanteram-bahoaka dia matetika noho ny amboletra ataon’ireo mpamily kamiao tsy mifanaja no miteraka ny loza aminy, nefa ny lalana efa ratsy koa ao anatin’izany rehetra izany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici