
Trano iray any Ampatana Antsirabe ifanolanana vehivavy mananotena sy olona roa ao an-toerana no niakatra fitsarana matetika, ary niafara tamin’ny fandrodanana tamboho sy ny ampahany amin’ilay trano, ny herinandro teo. Nitaraina noho izany ilay renim-pianakaviana mananotena, izay mahatsiaro ho tratran’ny tsindry hazo lena satria tsy any an-toerana izy io, nandritra ny fidinan’ny vaditany, ka nandravaran’ireto farany ny tamboho sy ny tranony. «Nivoaka ny didy ary nahazo fampahafantarana izahy, ary afaka mbola mampiakatra ny raharaha amin’ny fitsarana ambony. Tsy nanaja izany ary tsy niandry anefa ireo olona fa avy dia nandrodana ny trano », hoy ny fanazavan’ity renim-pianakaviana. Tsy misy olona ao amin’ilay trano, kanefa feno entana. « Very noho izany, ary simba ny entanay. », hoy ny fanazavana ihany. Voalaza fa efa indroa ambin’ny folo nifanolana teny amin’ny fitsarana ny roa tonta amin’ity raharaha tany ity ihany. Tany izay ampahany ihany ka mifandray no mampifanolana, ary mitady ho tonga amin’ny fakana ny iray manontolo izany. Mitaraina noho izany ity renim-pianakaviana mananotena satria nanambara ilay mifanolana aminy fa tsy maintsy azony io, ary mahalala olona amin’ny fitsarana izy miaro azy. « Efa naiditra am-ponja noho ny fikasiha-tanana ny zanako vavy izy io, kanefa tsy ela dia nivoaka noho izay filazany fa manana mpitsara », hoy ny fanazavany. Miantso ny fitsarana sy ny tompon’andraikitra mba hijery akaiky ny raharaha izy ireo. Ity ramatoa ity izay anaty tsy fahasalamana noho ity raharaha ity, ary niala tao Antsirabe noho ny tahotra. Mitondra ny raharaha eny amin’ny Bianco sy ny ministeran’ny fisarana izy ireo amin’izao fotoana izao.
Yv Sam