Hipetraka ho tantara tsy hay hadinoina ny andron’ny 13 janoary 2022 ho an’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Notanterahina omaly 13 janoary ny fanolorana maripahaizana ho an’ireo mpianatra 35 mianadahy vao nahavita ny fianarana teny sinoa eo teo anivon’ny Ivontoeram-pampianarana teny sinoa amin’ny Ministera’ny Fiarovam-pirenena. Ity andiany ity no nisantatra ity sampam-pianarana teny vahiny iray ity izay iaraha-miasa amin’ny « Institut Conficius » eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo. Nanome voninahitra ny lanonana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Amiraly Ranaivoseheno Antoine de Padou, sy ny Kolonely WANG Tao Tompon’andraikitry ny Fiarovana eo anivon’ny Masoivohon’i Sina eto Madagasikara, niaraka tamin’ny Talen’ny Fampianarana avy ao amin’ny « Institut Conficius », Ramatoa Zo Rasendra. Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’ny Amiraly, Sekretera Jen’ralin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena no nisaorany ny Masoivohon’i Sina eto Madagasikara tamin’ny fampianarana teny sinoa ireo miaramila sy sivily izay maimaimpoana. Manantena hatrany ny hitohizan’ny fiaraha-miasa ny Minisitera. Nambarany fa anisan’ny firenena tena manana ny maha izy azy ny firenena sinoa ary mendrika halaina tahaka indrindra amin’ny fanarahana ny fitsipi-pifehezana, izay tena mampandroso azy ireo tokoa. Nankasitraka ny ezaka sy ny finiavana nasehon’ireo mpianatra kosa ny Tompon’andraikitry ny Fiarovana eo anivon’ny Masoivohon’i Sina eto Madagasikara raha nandray fitenena. Anisan’ny laharam-pahamehana amin’izao fanavaozan-drafitry ny Tafika izao ny fifehazan’ny miaramila ny teny vahiny, satria izany dia isan’ny tosika ho an’ny fiarovam-pirenena sy antoky ny fifandraisana amin’ny firenena hafa. Raha ny teny anglisy hatrany no nampianarina tao amin’ny Ivontoeram-pampianarana teny ao amin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena dia nisokatra tamin’ny fampinarana teny sinoa ity toerana ity nanomboka ny 13 septembra 2021.
Nangonin’i T.M.