- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 – Ampitatafika : Fiara roa nifadona, roa naratra

RN7 – Ampitatafika : Fiara roa nifadona, roa naratra

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nandratrana olona indray tamin’ny lalam-pirenena fahafito, afak’omaly antoandro tokony ho tamin’ny iray ora, teo  atsimon’ny tanànan’ Ampitatafika Antanifotsy, avaratr’Ilempona, 30 km tsy hiditra an’ Ambatolampy, raha hihazo aty an-drenivohitra. Fiara roa no nifadona, “404 baché” sy P.206. Ity farany izay ho any Antsirabe ka nitrongy ny fiara teo anoloany tao anaty fiolanana. Raha ny fanazavana azo tamin’ny fandalovanay teny an-toerana dia nandeha mafy ity fiara P.206 miloko manga ity ary tsy nahatana ny familiana sy ny hisany (frein) intsony ka nifatratra tamin’ity “404 baché” teo alohany. Olona roa no naratra ka ny iray voa mafy.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser