Zava-doza indray no niseho omaly tao amin’ny tanana nisy ny sampan-draharahan’ny birao mahaleotena misahana ny ady amin’ny kolikoly tany Toamasina. Nipoaka ny « groupe életrogène » fampiasa tao amin’io toeram-piasana io ary nandoro ny trano fitehirizan’entana nipetrahan’izany fitaovana izany. Hatreto, raha ny fampitam-baovao azo dia tsy mbola fantatra mazava ny nahatonga ny fipoahan’ity fitaovana mpamokatra herinaratra fanampiny ity. Amin’ny toe-javatra tahaka izao dia mety ho azo eritreretina ho resaka olana ara-teknika foana, izany hoe fifangaron’ny akoran’afo mampandeha izany « groupe » izany sy ny tselatr’afo avy ety ivelany, mandram-pivoaka izay valin’ny fanadihadiana ataon’ny tomponandraikitra. Tsy azo hihodivirana ihany koa anefa ny hoe mety ho fanimbana ninian’olona natao. Miditra an-tsehatra indray eo ireo mpanao famotorana, tahaka izay niseho tao amin’ny toeram-pamokatra herinaratry ny Jirama tao Andekaleka, izay nipoahan’ny fitaovana lehibe ihany koa. Marihana, ary soa ihany fa tsy nisy olona naratra na namoy ny ainy tao anatin’izany fipoahana narahana firehetana trano izany tao amin’ny Bianco Toamasina. Tonga aloha ihany koa tetsy andanin’izay ireo mpamonjy voina tany an-toerana, raha vao nampandrenesina mahakasika ny loza nisy. Hany ka voafehy sy voavono aloha ny afo. Na izany na tsy izany dia misimisy ihany ny fahasimban-javatra naterak’izany loza niseho izany.
m.L