- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversHaraton’aina - Toamasina : Olona 6.000 hahazo vola 60.000 ariary anatin’ny telo...

Haraton’aina – Toamasina : Olona 6.000 hahazo vola 60.000 ariary anatin’ny telo taona

Natomboka androany teto Toamasina renivohitra ny fizarana ny ampahany voalohany amin’ilay haraton’aina andrenivohitra karakaran’ny FID, izay sahanin’ny minisitera ny mponina, ary vatsian’ny banky iraisam-pirenena ara-bola. Fizarana vola amin’ireo olona marefo ny Covid-19 efa voatily mialoha isam-pokontany.

Aorian’ny fanomezam-bola dia hisy ny fanaraha-maso hataon’ny FID sy ny ministeran’ny mponina, natao izany mba hamantarana ny fampiasana ny vola ataon’ireo nahazo izany, satria efa nisy ny fanofanana azon’izy ireo tamin’ny FID sy ny minisiteran’ny mponina talohan’izany. Ny tanjona mantsy amin’izao araton’aina izao vokatry ny fiantraikan’ny tamin’ny fihibohana noho ny covid-19 izao, dia hanarina ny toe-karen’ireo tokantrano voafidy ho marefo ireo, mba ahafahan’ny miohitra amin’ny fiainana; ka aorain’ny fandaharan’asa dia heverina fa efa miharina ny fiharian’ireo olona nahazo ny araton’aina. Hisy noho izany ny fitsidihana any an-tokatranon’ireo nahazo izany mihintsy, mba ahafahana manampy azy ireo ara-toro-hevitra raha misy olona, sy ahafahana mamantatra avy hatrany ny olana raha mitranga izany amin’ireo mpahazo tombontsoa. Izay no nahatonga ny ben’ny tananan’i Toamasina nilaza tamin’ny lahateny nataony fa “tsy hirevena ny famatsiam-bola azo fa entina hampivoarana ny fiainana, satria efa mitsinjo antsika ny fanjakana amin’ny alalan’ireo mpiara-mimbona antoka”. Ny governora ny faritra atsinanana nilaza fa “mahazo 60.000 ariary isaky ny olona isaky ny roa volana ao anatin’ny telo taona ireo mpahazo izany”. Ankilan’izany dia nilaza ihany koa ny talem-pitantanan’ny FID, fa hisy koa ny asa tanamaro ho atao, ka izany dia hanomezana 4.500 ariary isan’andro ao anatin’ny 120 andro izay hanaovana fanofanana ny 40 andro ary ao anatin’ny roa taona. Amin’izao fiatombohan’ny fandaharanasa izao dia renivohim-paritany telo no voasahana ao, ahitana an’i Toamasina – Fianarantsoa – ary Antananarivo renivohitra. Ankoatra izany dia tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa “Projet Filets Sociaux de Sécutité (FSS)” ny fandaharanasa, izay natao sonia ny famatsiam-bola mitentina 150 tapitrisa Dolara ny volana martsa 2021. Ny tanjona dia olona efatra tapitrisa avy amin’ny faritra 14, sy distrika 29 no hahazo tombontsoa hatramin’ny taona 2024.

Malala Didier 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici