- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAntaninarenina : "Bijouterie" nisy nandroba  

Antaninarenina : « Bijouterie » nisy nandroba  

Isan’ny kartie tsara ambina anefa Antaninarenina. (Sary fanehoana)

Ny alin’ny zoma tokony ho tamin’ny folo ora no nitranga ny fandrobàna. Nisy olon-tsy fantatra izay namaky ny rindrin’ilay toeram-pivarotana firavaka. Nogoahin’ireo, zara raha omby olona, ny rindrina dia tafiditra tao anatiny ny olon-dratsy. Vao tafiditra indray, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana, dia notapahina ny « fil » mamatsy herinaratra ny « caméra de surveillance ». Toa ireny fandrobàna efa nomanina ireny raha ny fandinihana ny zava-misy, satria tsy nisy rakitsary azo intsony raha ny momba ilay zava-niseho. Toerana sady feno mpiambina Antananinarenina no misy mpitandro ny filaminana koa. Ny antony dia satria feno biraom-panjakana no koa feno mpivarotra isan-karazany. Teo amin’ilay toerana nitrangan’ilay fandrobàna dia samy manana ny mpiambina koa ny toeram-pivarotana ary tsy mifanalavitra eo dia misy banky andrasan’ny mpitandro ny filaminana. Izany rehetra izany dia tsy nisy nahita ny zava-nitranga satria tsy nisy basy nipoaka na fampitahorana hita maso, fa ny rindrina aoriana no noloahina moramora. Manaporofo izany fa tena niomana ireo mpandroba ary mahafantatra tsara ny toerana matoa hitan’izy ireo hatramin’ny fil mamelona ny fitaovam-piambenana sy fanaraha-maso. Volamena kelikely sisa no tavela tao amin’ilay toeram-pivarotana firavaka raha ny fantatra hatrany. Nisy avy hatrany ny fanadihadiana nosokafana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici