Soa fa tsy nisy ny naratra na aina nafoy. Saika loza nahatsiravina no nitranga teny amin’iny lalam-pirenena faha-2 iny ny sabotsy 15 janoary maraina teo tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany teo ho eo. Fiara Sprinter iray no nofaohin’ny Fiarandalamby teo Carion, kaominina Nandihizana, distrikan’i Manjakandriana. Araka ny loharanom-baovao voaray dia avy any Moramanga hiakatra aty Antananarivo ity fiarandalamby ity no nifanena tampoka tamin’ilay Sprinter raha saika hanapaka io lalana io ity farany. Mafimafy ihany ny fifandonana ka nahapotika ny lohan’ilay fiara avy eoamin’ny ilany havanana. Ts ynahitana fahasimbana kosa ilay lamasinina. Vao nitranga moa ny loza dia nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny gara etsy Soarano nanao ny fanadihadiana. Tokony hitandrina ihany ireo mpamily fiara amin’iny lalana iny ka ho mailo hatrany amin’ny fivezivezen’ny lamasinina eo amin’io faritra io.
T.M.