- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversIlafy Mamboly rongony : Roa lahy nosamborina

Ilafy Mamboly rongony : Roa lahy nosamborina

Tsy nafenimpenina fa eo an-tokontany ihany no nampanirina ireo zava-mahadomelina, tetsy Antanetibe-Ilafy. Ny olona no nampandre tsimoramora ny polisy izay naka alàlana hisava. Ny talata teo, nandritr’izany no nahitàna rongony 19 fototra izay naniry tsara avokoa. Teo ihany dia nosamborina ny roa lahy izay tompon’antoka tamin’ny fambolena izany ary nanokafana fanadihadiana. Ny polisy miandraikitra ny ady amin’ny zava-mahadomelina no mitantana ny fakàna am-bavany azy ireo. Raha araka ny fanazavàna avy amin’ny mpitandro ny filaminana dia izy roa lahy ireo ihany no mifoka ny rongony izay amboleny. Efa telo taona raha kely indrindra no naha-mpinamana azy roa lahy ka nanitaran’izy ireo saina ho any amin’ity fambolena hafakely. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo. Miroborobo eto an-drenivohitra ny zava-mahadomelina ary ny tena mampanahy dia ny fiparitahan’ny cocaïne sy ny héroïne. Eny ambany tanàna dia saika isan’andro no misy voasambotra, na izany noho ny famarotana, na izany noho ny fidorohana na fitsindromana na fifohana. Misy amin’ny endriny rehetra ankehitriny ny zava-mahadomelina eto an-drenivohitra ary tena atahorana ny hiparitahan’ireny amin’ny tanora sy ny mpianatra.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici