Tsy tana intsony ny ain’ity tovolahy, zanaka sefo fokontany iray tao amin’ny distrika Bekily, faritra Androy ity, rehefa notifirin’ny dahalo tsy am-pihambahambana ny alatsinainy lasa teo. Eny fa na dia teo aza ny ezaka nataon’ireo mpitsabo tamin’ny famonjena ny ainy, rehefa nentina novonjena haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana izy, taorian’ny ratra mafy nahazo azy. Raha ny vaovao azo mantsy dia be loatra ny rà very taminy, ka na dia nanao izay azony natao aza ireo mpitsabo dia indrisy fa namoy ny ainy ihany ity tovolahy ity.
Raha ny zava-nisy, ny alatsinainy lasa teo dia tokatrano iray tao amin’io toerana voalaza etsy ambony io no lasibatry ny dahalo maromaro nirongo fiadiana. Tompon’andraikim-panjakana voalohany indrindra eny ifotony no tompon-trano. Vantany vao tafiditra ireto olon-dratsy dia nifehy avy hatrany ny tao amin’ity tokatrano ity no nataon’izy ireo voalohany. Teo imason’ny zava-nisy tokoa, nanoloana ireto dahalo miravaka fitaovam-piadiana hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia sy ny hery tsy nitovy dia vetivety foana dia voafehy ny tao an-trano. Tetsy andanin’izay, tsy mitsahatra ny mandrahoana ny ho faty iretsy farany no nitaky izay vola sy zavatra sarobidy tao an-trano. Tamin’izay fotoana izay anefa, nentin’ny herim-po, entina hiarovana ireto fianakaviany ny zanaky ny tompon-trano ka niezaka nanohitra ireto mpanafika. Indrisy fa be noho ny vitsy ary tsy tamim-pisalasalàna tokoa no namelezan’ireto olon-dratsy sy nitifirany ity tovolahy sahy zavatra ity. Rehefa vitan’izy ireo ny nataony ary azon’izy ireo izay zavatra nilainy dia nitsoaka toy ny tsy teo izy ireo. Taorian’izay vao afaka namonjy ilay naratra mafy ny tao an-trano, saingy indrisy moa fa izao tsy tana izao intsony ainy.
Marihana fa efa nisy ny fampandrenesana natao tany amin’ireo tompon’andraikitry ny filaminana ary efa nandray ny andraikiny tamin’izany ireto farany. Raha ny fampitam-baovao azo aza dia voalaza fa efa nisy ny fifandonana teo amin’ireto mpitandro filaminana sy ny sasantsany tamin’ireo olon-dratsy ka nahafaty ny roa tamin’ireto farany. Mbola mitohy kosa any an-toerana ny fikarohana sy ny fanenjehana ireo naman’ireo olon-dratsy amin’izao.
m.L