- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversMadiromirafy-Maevatanàna : Lasan’ny dahalo niaraka tamin'ny omby ny « Varira » mpiarakandro iray

Madiromirafy-Maevatanàna : Lasan’ny dahalo niaraka tamin’ny omby ny « Varira » mpiarakandro iray

Nitrangan’ny fanafihana mitam-piadiana indray tany amin’ny fokontany Volavita, kaominina Madiromirafy, disitraikan’i Maevatanàna, ny alatsinainy heriny lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia handeha hiarakandro teny an-tsaha ity  » Varira iray ity » no nifanehitra tamin’ireo olon-dratsy. Raha ny angom-baovao hatrany dia nambanan’ireo andian-jiolahy izay tsy voafaritra isa nitondra basy notakiana ny omby niandrasany. Vokatry ny tahotra sy ho fiarovana ny ainy dia nanolotra ilay omby ilay Varira vao 14 taona monja. Tsy viatan’ny omby lasan’ireo malaso fa mbola natao takalon’iaina ihany koa ity varira ity. Marihina moa fa tsy nanapoaka basy ireto andian-jiolahy nandritra izany. Taorian’ny fanafihana dia niezaka niantso vonjy ny olona teny an-tsaha nahatazan-davitra ny zava-niseho, saingy efa tsy nisy azo natao intsony na dia efa nanao izay ho afany aza ny zandary sy ny fokonolona tao Madiromirafy, satria efa tsy tratra intsony ny jiolahy. Tany amin’ny kilaometatra maro vao navotsatran’ny jiolahy ilay varira, fa ireo omby kosa dia nentin’izy ireo hatrany. Marihina moa fa salama saina tsara no tsy nokitian’ireo dahalo ilay zaza varira. Mbola mitohy kosa ny faarahan-dia ataon’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici