- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Fahaverezam-bola 80 tapitrisa ariary, 11  nadoboka am-ponja

Maevatanàna : Fahaverezam-bola 80 tapitrisa ariary, 11  nadoboka am-ponja

Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny poilsy eto Maevatanàna sy ny manodidina. Noho ny fahavakisan’ny tranombarotra iray niseho teto amin’ny renivohi-paritry Betsiboka tao anatin’ny dimy volana lasa, dia tsy nikely soroka tamin’ny fikarohana ireo olon-dratsy ny polisy aty an-toerana. Naharay fitarainana tamin’ny tompon’ny tranom-baraotra iray ny polisy, araka ny vaovao voaray. Nisy ny hetsika manokana natao izay tsy mivoana amin’ny tanjona apetraky ny ministeran’ny filaminam-bahoaka. Isan’izany ny fanakaikezana ny vahoaka amin’ny alalan’ny fametrahana polisy eny ifotony mba hahazoana vokatra tsara. Ankoatra izay ny faraha-miasa amin’ny fanomezana loharanom-baovao makasika ireo jiolahy mirenireny eny anivon’ny fiaraha-monina eny. Nahitam-bokany izany, satria nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny olona tsara sitra-po nahafantarana fa misy olona antsoina hoe  » Leary kely », izay voalaza fa atidoha nikotrika ny fahavakisan’ny tranombarotra voalaza etsy ambony. Tamin’ny 12 hifoha ny faha-13 janoary 2022 no nahatratrarana azy teny amin’ny trano fonenany. Raha ny fantatra dia efa nigadra tamin’ny resaka fakana an-keriny niseho tao Ambondromamy, ary nampigadra azy tany amin’ny fonjan’i Marofotra tany Mahajanga izany. Isaky ny tafavoaka ny fonja izy dia mamerin-keloka amin’ny asa ratsy hatrany. Nandritra ny fanadihadiana natao tamin’i Leary kely teny amin’ny polisy no nahalala ireo olona 11, mpividy entana sy mpitondra ny zavatra nangalariny. Marihina moa fa efa nandritra ny dimy volana no nisian’ny fahaverezana sy famakiana izao tranombarotra izao. Nahatratra 80 tapitrisa ariary ny teti-bidin’ny entana very. Nisy ihany koa ny entana tafaverina, toy ny vary 16 gony, toaka sambo amin’ny litatra 16 baoritra, miisa 11 tavoahangy, miampy toaka sambo fahefany 42 baoritra, sy kafe roapolo kapoaka. Aorian’ny fiafaran’ny famotorana ataon’ny polisy moa dia hatolotra ny tompony ireo entana ireo. Ny talata maraina lasa teo no natolotra ny tonia mpapanoa lalàna ny raharaha. Taorian’izay no nandray ny fanapahan-keviny ny mpitsara, ka nampidirana am-ponja vonjimaka azy 11 mianadahy, ary ny vehivavy mitondra vohaka iray nahazo fahafahana vonjimaika. Taorian’izay ihany koa no namoaka didy fampisamborana ireo olona tokony ho tafidtra amin’izao raharaha izao ny mpitsara. Mbola mitohy hatrany fikarohana ireo olona naman’i Leary kely tena nadray anjara tamin’izao raharaha izao, indrindra fa ireo olona namoahana didy fampisamborana.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici