Efa teo am-bavahoanan’ny fahafatesana ity vehivavy iray 47 taona, raha tonga haingana sy nanao izay fara-heriny hamonjena azy ireo mpitandro filaminana, tany amin’iny distrikan’i Manakara iny, ny alarobia lasa teo. Voarohirohy ho mpamosavy sy tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’ny vehivavy iray tao amin’izany tanàna antsoina hoe Andranofasika Atsinanana izany ity farany, ka nalain’ireo fianakavian’ny maty an-keriny ary efa nokasaina hatao fitsaram-bahoaka.
Ny zava-nisy. Renim-pianakaviana iray, 31 taona no namoy ny ainy tamin’ny fomba nampiahiahy tanteraka tany amin’io tanàna io, ny voalohan’ny herinandro lasa teo. Talohan’izay nahafatesany izay anefa dia nilaza sy nanondro vehivavy iray ny tenany, izay nolazainy fa namosavy sy nanapoizina azy. Tsaroan’ireo fianakavin’ny maty izay tenin’Itompokovavy izay ka nirohotra tany amin’ny tokantranon’ity vehivavy voatondro ho mpamosavy ity izy rehetra, ny alarobia teo. Nalain’ireto andian’olona an-keriny izany vehivavy izany ary notanana tao amin’ny trano iray tao an-tanàna, miandry ny fanesorana ny ainy ihany koa imasom-bahoaka. Tonga teny am-pototsofin’ireo tompon’andraikitry ny filaminana izany toe-javatra izany ka niditra avy hatrany tany an-toerana ireto farany. Nisy ny fifampiraharahana tamin’ireo olona nitazona ity vehivavy ity, ny mba hamotsorana azy, saingy nandà tanteraka izany ny ankilany. Voatery niroso tamin’ny fampiasana hery ho fanavotana ity vehivavy ity araka izany ireo mpitandro filaminana. Avotra soa aman-tsara ity farany ary nentina avy hatrany namonjy ny toby nisy ireo mpitandro filaminana. Napetraka kosa ny paik’ady rehetra hitandroana ny filaminana any an-toerana, hisorohana ny mety ho fihoaram-pefin’ireo andian’olona tezitra ireo. Na izany aza, misokatra niaraka tamin’izany ihany ny famotorana sy ny fanadihadiana amin’ity raharaha ity.
m.L