Tsy basy iray fa telo no sarona nandritry ny fisavàna izay notanterahan’ny mpanao fanadihadiana dia ny sampan’ny zandary misahana ny heloka bevava ao Fianarantsoa. Tsy vitan’izany fa mbola nahitàna saron-tava sy fitaovana hafa fanaovana asa ratsy. Olon-tsotra no nanome vaovao ny mpitandro ny filaminana momba ny fisian’ny trano izay sady fieren’ny jiolahy no fanafenana halatra. Rehefa nahazo alalana tamin’ny fampanoavana ka niroso tamin’ny fisavàna izy ireo dia voamarina tokoa ny nahiana rehetra. Feno kodiaran-droa, ao ny mbola mitsangana tsara ary tao koa ny efa nongotana avokoa ny piesy. Sarona tao anatin’ny fisavàna ireo basy vita gasy miisa telo izay mbola nisy bala calibre 12 maromaro. Teo ihany dia nosamborina izy telo lahy raha mbola karohina kosa ny iray hafa izay tompon’ny trano. Voamarina nandritry ny fanadihadian’ny zandary fa efa nifonja noho ny raharaha fakàna an-keriny ny iray tamin’ireo jiolahy. Notohizana ny fisavàna ny tranon’ireo voasambotra ary teo dia mbola nahitàna karazan’entana halatra hafa indray. Manaporofo izany rehetra izany fa tena misy tambajotran-jiolahy mitam-piadiana ao Fianarantsoa renivohitra. Raha ny entana hita tao amin’ireo dia tsy mionona amin’ny halatra môtô fotsiny ihany izy ireo fa tena manafika trano.
D.R