Raindahiny amin’ny resaka fakàna an-keriny sy halatr’omby, any amin’iny distrikan’Anjozorobe iny, raha ity antsoina hoe Dany ity, izay maty voatifitry ny zandary omaly, tetsy Farazato, fokontany Antsorindrana, distrika Anjozorobe.
Niainga tamin’ny tranga fakàna an-keriny iray, nitranga tao avaratr’Anjozorobe tao ny fanadihadiana nahafahana nisambotra ity jiolahy raindahiny ity, niaraka tamin’ny namany. Ny zava-nisy tamin’izay : zazavavy kely 14 taona no nalain’izy ireo an-keriny no sady nampiharan’izy ireo ny filan-dratsiny, ny tapatapaky ny volana novambra lasa teo. Tsy navotsotr’ireo tsy valahara izany ankizy izany, raha tsy ny sabotsy lasa teo, rehefa naloa ny vola takolon’aina notakian’izy ireo izay mitentina 20 tapitrisa ariary. Tsy niandry ela fa nandray ny andraikiny avy hatrany ireo zandary izay avy ao amin’ny tobim-paritra Anjozorobe, nikaroka ireo tompon’antoka. Voasambotra, ny alatsinainy teo, roa andro taorian’ny namotsorana ilay ankizivavy, i Dany, izay azo lazaina fa lehiben’ireto mpaka an-keriny ireto, niaraka tamin’ny namany telolahy hafa. Tamin’ny famotorana savaranonando natao tamin’ity lehiben’ny jiolahy ity no nahafantaran’ireo zandary fa mbola misy naman’izy ireo hafa ankoatra ireo efa voasambotra.
Nanomboka teo, ny Kaomandin’ny vondro-tobim-paritra Imerina Central, izay mifehy iny faritra iny mihitsy, no nandray an-tanana ny raharaha ary nidina tany an-toerana, nanao ny fikarohana ireo voalaza fa naman’ilay mpaka an-keriny. Olona iray tamin’ireo notononon’ity lehiben’izy ireo no fantatra sy hita toerana nipetrahana, izay ao Betsimizara, fokontany Antsorindrana, kaominina Anjozorobe. Rehefa nidina tao anefa ireo mpitandro filaminana dia tsy hita tao intsony ingahirainy. Tamin’io fotoana io, nilaza ing. Dany fa mety mahita azy, ary vonona ny hitondra ireo zandary any amin’ny toerana misy ity namany ity. Omaly vao mangiran-dratsy, raha iny teny an-dalana iny izy ireo, no nanararaotra ny haratsian-dalana sy ny haizina ity dahalo raindahiny ity ka niezaka nandositra. Raikitra ny fifanenjehana. Na dia teo aza ny tifi-danitra ho fampitandremana ity jiolahy nitsoaka dia mbola nanohy ny diany ity farany. Hany ka voatery nitifitra azy ireo mpitandro filaminana. Voan’ny bala iry voalohany ary namoy ny ainy teo no ho eo ihany izy.
Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo voalaza fa naman’ity olon-dratsy ity, any an-toerana. Ireo voasambotra kosa dia fantatra fa entina avy hatrany any Antananarivo, ary hatolotra ny Fampanoavana tsy ho ela.
Taorian’izay tranga izay, dia tonga nijery ifotony ny zava-nisy ireo tompon’andraikim-panjakana, voafidy sy voatendry tany amin’ity faritra iny, ary velom-pisaorana ny teo anivon’ny zandamariam-pirenena noho izao vokatra izao. Marihina fa jiolahy fantan-daza sy efa mpamerin-keloka any amin’iny faritra iny ity maty voatifitra ity, ka mino izy ireo fa hilamina tanteraka taorian’izao ary heverina fa ho voasambotra tsy ho ela ireo namany.
m.L