- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFakàna an-keriny tsy tanteraka : Nifanandrina ny fokonolona sy ireo olon-dratsy

Fakàna an-keriny tsy tanteraka : Nifanandrina ny fokonolona sy ireo olon-dratsy

Tafita ny fampianarana nomena ireo fokonolona ny amin’ny fomba enti-miady, hiarovan’izy ireo ny tanàna manoloana ny fanafihan-dahalo. Tao amin’ny tanàna iray tao amin’ny kaominina Morafeno Besorindrina, kaominina Amparantanjona, distrika Anjozorobe, dia dahalo raindahiny iray ihany koa no maty voatifitr’ireo fokonolona nandritry ny fifanandrinan’izy ireo tamin’ny tarik’ireto farany, ny alakamisy lasa teo. Nisy maromaro tamin’ireo mpanafika ihany koa no naratra saingy tafatsoaka. 

Ny zava-nisy. Nikasa ny haka an-keriny olona tao amin’io tanàna iray io ny andian-dahalo maromaro, nirongo fitaovam-piadiana sy niravaka ody gasy. Tsy nihanona fotsiny tamin’izao anefa ireo fokonolona fa avy hatrany dia niezaka niaro ny tanànany tamin’ny alalan’ireo fitaovam-piadiana teo am-pelatanan’izy ireo. Tao anatin’izany ihany koa anefa dia efa nisy fampandrenesena ireo zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Betatao, izay avy hatrany dia nandefa mpitandro filaminana tany an-toerana. Tamin’ny fahatongavan’ireto farany tany amin’io toerana voalaza io dia hita fa efa nisy iray tamin’ireo mpanafika no nitsirara tao anaty rà mandriaka. Efa vaky nandositra ihany koa ireo namany hafa, izay voalaza fa efa nisy naratra ihany koa, saingy mbola tafatsangana sy afa-nitsoaka. Rehefa nojerena ity olona nitsirara ity dia efa rotiky ny bala. Tsy nisy aina intsony noho ny habetsaky ny rà very. Raha ny fampitam-baovao azo dia tsy mbola fantatra ny mombamomba an’ity jiolahy maty ity. Ny hany azo ambara, hoy ny vaovao hatrany dia anisan’ireo dahalo mpaka an-keriny, tompon’antoka tamin’ireo fanafihana sy ny asa ratsy tany amin’iny faritra iny sy ny tany Ambatondrazaka ity farany. Teo amin’ny toerana nifanandrin’ireto fokonolona sy ireo mpanafika moa dia mbola nahitàna finday iray, taim-bala telo ary ody gasy, efa mananika ny iray kilao any ho any. Noraisin’ireo zandary avy hatrany moa ny tohin’ny raharaha ary efa napetraka avokoa ireo paikady rehetra, hanaovana hazalambo ireo mpaka an-keriny hafa tafatsoaka. Nomena ny fokonolona halevina kosa ny vatana mangatsiakan’ity olon-dratsy voatifitra ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici