Tao anatin’ny oram-be ny alin’ny zoma teo no nisesy koa ny lozam-pifamoivoizana izay saika nitovy ny fitrangany. Tetsy Anosizato dia nisy rangahy efa lehibe izay nitondra scooter ary nifandona tamin’ny kamiao. Nivoaka rà ny sofiny ary nivonto ny lohany sady nivoaka koa ny atidohany. Na izany aza anefa mbola nisy aina kely ka nentina avy hatrany teny amin’ny Hjra. Natao ny fialàna nenina saingy mafy loatra ny fahavoazana ary tsy tàna ny ainy. Ny faharoa indray dia scooter nifandona tamin’ny kamiao mpandroaka fako. Voa mafy koa ilay rangahy nitondra ary nivoaka ny ampahan’ny atidohany. Mbola nisy aina ary rehefa nifamonjena tao amin’ny hopitaly Hjra dia avotra ihany na tsy nahatsiaro tena aza. Mbola manaraka fitsaboana ao izy hatramin’ny asabotsy izay nandalovana teny an-toerana. Raha ny fanampim-panazavana dia nisy fofon-toaka heno nandritra ireo lozam-pifamoivoizana roa samihafa ireo. Mbola betsaka ny olona no mikiry mandeha kodiaran-droa na dia efa tena ratsy aza ny andro. Marobe ny simba moto vokatr’izany fa ny tena ratsy dia mitombo koa ny lozam-pifamoivoizana satria ny làlana dia mitombo isan’andro ny lavaka, tsy hita rehefa ao anaty ora-mikija. Etsy andanin’izany koa, mihena ny fahitàna ao anaty orana ary lasa mifandona amin’ny fiara matetika ny kodiaran-droa. Toy ireo izay notantaraina teo ambony ireo.
D.R