- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmpefiloha : Lehilahy mpamaky fiara voasambotra

Ampefiloha : Lehilahy mpamaky fiara voasambotra

Fangalarana kojakojam-piarakodia mipetraka eny amin’ny Parking. Lehilahy iray no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny paositry ny polisy Ampefiloha ny herinandro lasa teo tao amin’ny Cité Ampefiloha. Lehilahy iray no tsikaritry ny polisy ao Ampefiloha toa hafahafa fihetsika nandritra ny fisafoana mandeha an-tongotra maraina nataon’izy ireo. Nosakanana ilay lehilahy io ary rehefa natao ny fisavana dia nahatratrarana « Cache moyeu » ana Toyota Lc Hdj 100 sy Hyundai tany anaty akanjony. Nentina avy hatrany teny paositry ny polisy Ampefiloha ity lehilahy ity nohadihadiana ka tamin’izay no nahafantarana fa efa misy fitoriana sy fitarainana maro voarain’ny mpitandro filaminana mahakasika fangalarana kojakojam-piarakodia mipetraka amin’ny parking eny an-toerana. Niaiky ity lehilahy ity fa izy no manao io asa ratsy io ary nanoro ny namany mpiray tsikombakomba aminy nandritra ny fanadihadiana azy. Rehefa tratra ireo mpiray tsikombakomba aminy dia natolotra ny fampanoavana ny raharaha. Notanana vonjimaika any amin’ny fonjan’Antanimora ilay tratra ambodiomby fa ireo namany kosa nahazo fahafahana vonjimaika. Raha ny fantatra, matetika amidy eny amin’ny mpivartra korotana sy ny brokatera eny Isotry ny manodidina ihany ireny entana halatra ireny. Misy ny mpandray entana halatra ary mivarotra avy eo. Amidin’izy ireo mandehandeha ihany koa izany indraindray. Marihina fa fandikan-dalàna ny mandray sy mividy entana halatra, ary mety mampiditra am-ponja mihitsy.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici