- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomirahavavy :  Fiara lasan'ny rano, avotry ny tompon-tany

Ambatomirahavavy :  Fiara lasan’ny rano, avotry ny tompon-tany

Ilay fiara latsaka tanaty rano.

Tsy nila fitaovana be dia vita. Kanefa fiara efa nilentika tanteraka tamin’ny fiakaran’ny rano tetsy Ambatomirahavavy. Efa tsy hita intsony aza izay nisy ny fiara tao anaty rano tao. Pasitera no tompon’izany raha araka ny fanampim-baovao. Vokatry ny halaman’ny arabe dia latsaka tao anaty rano mandeha ny fiara. Niditra an-

Tafakatra ilay fiara.

tsehatra ny vatan-dehilahy teo an-toerana nanao ankilentika. Rehefa hita ny fiara dia nofatorana tady ary nifampisintomana amin’izay. Tafakatra an-tanety ihany izany, adiny fito taty aoriana, ary tsy nisy simba firy. Velom-bolo tanteraka ny tompony satria efa noeritreretina tsy ho hita intsony ny fiara raha tsy hangalàna fitaovana mifanandrify amin’izany na koa miandry ny rano ho ritra, izay mbola tsy ho ato ho ato aloha.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici