- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Nivatravatra ny oram-be, olona 60 tra-boina

Maevatanàna : Nivatravatra ny oram-be, olona 60 tra-boina

Hataraina ny an’ny olona maro tamin’ny faritra maro teto Maevatanàna tamin’ny oram-be niseho , ny herinandro lasa teo. Nahery vaika mihitsy ny andro ratsy izany tato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ny teto amin’ny renivohim-paritra Betsiboka, ary nipaka hatrany amin’ny kaominina ambanivohitra maro tato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Naharitra ora maro teo ny andro nilatsahan’ny orana. Raha ny vaovao heno etsy sy eroa dia fokontany amin’ny toerana hiva no volaza fa dibon-drano, raha amin’ireo kaominina maro nandalovan’izany, ary tsy afa-maina ihany koa ny fokontan’Ambatofotsy sy Anosy kely avaratra ato amin’ny kaominina Maevatanàna voalohany nandritra izany. Any ka mahatratra 60 eo ny olona tra-boina amin’ireo fokontany roa ireo. Noho izany dia tsy nikely soroka tamin’ny fifanam-piana hoan’ireo mpiray tanindrazana aminy ny mpitondram-panjakana aty an-toerana izay nahitana ny olom-poatendry sy ny olom-poafidy, izay notarihany goveronora ny faritra Betsiboka, izay nitondra ny ny anjara birikiny toy ny vary sy savony ary ny aro vava orona mba ho soroanana ny fianakiny ny aretina coronavirus eto amin’ny tanin’i Repobilikan’i Madagasikara. Tonga nanome lay misy ody moka miisa diamapolo hoan’ireo tra-boiana ihany koa ny eo anivon’ny fahasalam-bahoaka.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici